Ho foibe tsimialonjafy ho an’ny Malagasy rehetra vonona hanova tanteraka ity firenena ity ho firenena matanjaka aty Afrika ny Foiben-toerana na “QG”
hiasan’ny KMMR 2018 na ny Komity Mpanohana an’i Marc Ravalomanana eny Bel’Air Ampandrana, izay notokanana ny sabotsy 22 septambra teo. Noporofoinareo tamin’ny fahatongavanareo maro be avy amin’ny Lafivalon’ny Nosy rahateo fa kandidan’ny Malagasy rehetra i Dada, ka manentana anareo tsirairay aho fa tsy fotoana hipetrapetrahana intsony izao fa fotoana handraisan’ny tsirairay handraikitra hanavotana ity firenena ity izao na “The time is now”, hoy i Marc Ravalomanana. Notsindriany fa olom-pirenena tsotra toy ny Malagasy rehetra no niandohany. Iray ihany isika, hoy izy, ary ny tarigetranay mivady hatrany am-piandohana, dia ny “Hanangana” tsy ho fihariana fotsiny fa ho fanasoavana ny mpiara-belona, araka ny hira fanevan’ny Vondrona Tiko. “Mpanangana aho fa tsy mpandrava”, ka ny niantombohanay dia bisikileta iray no nampiasaina nentina nivarotra ronono. Fiainana tsotra, niasa mafy namelon-tena, tahaka ny ankamaroan’ny Malagasy rehetra tao amin’io toerana eo Bel’Air Ampandrana io. Ny zanak’izy mivady roa (Saraha sy Josoa) aza tao no teraka sy lehibe. Efa hatramin’izay no nanana ny lanjany sy ny tantarany ho an’i Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ity toerana ity ary ho an’ny firenena. Hiainga ao indray mantsy ny toromarika ankapobeny ho an’ny vahoaka hampandany azy amin’ny fifidianana. Efa nanomboka niharin-doha ny Firenena Malagasy talohan’ny 2009. Alaivo sary an-tsaina, hoy I Marc Ravalomanana ny fari-piainanao tamin’izany. Manao ahoana izy ankehitriny ? Ataovy jery todika amin’ny fijery tsy mitanila fa nanomboka tamin’ny 2009 dia nitotongana ny toekarena, ka tsy mbola tafarina hatramin’izao, hoy izy. Tsy rariny ny manjo ny vahoaka satria manankarena ampy antsika jiaby hanatsarana ny fiaianan’ny Malagasy ny firenentsika. Aoka izay ny fijaliana ! Hitondra fanantenana sy fiainana tsara kokoa ho an’ny Malagasy aho, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Tsy manaiky kolikoly sy fivarotana tanindrazana fa hijoro hanangana demokrasia marina sy fanjakana tan-dalàna, ary hanarina ny toekarena mba hisy fiantraikany amin’ny isan-tonkantrano. Zava-dehibe aminy ny ady amin’ny tsy fandriampahalemana, ny hahafahan’ny vahoaka Malagasy misakafo ara-dalàna, ny fotodrafitrasa lehibe sy ny lalana, ny famoronana asa ho an’ny tanora, ny fampianarana ny ankizy. Misokatra midanadana ny varavaran’ny Foiben-toerana sy ny KMMR amin’ny fiaraha-miasa amin’ny vondrona politika sy ny fikambanana,… eny, ho an’ny Malagasy tsivakivolo, hoy i Marc Ravalomanana. Nisaotra ireo efa nandray anjara sahady tamin’ny fandrotsaham-bola tao amin’ilay kaonty amin’ny Banky sy Mvola, izay efa mahatratra an’aliny ary maro no mbola ho avy. Mikasika ny zotram-pifidianana, dia tena zava-dehibe ny hoe fisian’ny sata ara-pitondrantena dinan’ny fifampifehezana amin’ny fifidianana ary ilaina ny fananan’ny kandida etika, raha ny fanehoan-kevitr’i Marc Ravalomanana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.