Politique

Marc Ravalomanana Mitarika amin’ireo toerana be mpifidy


  • Talata 13 Novambra 2018

Ny isan’ny mpifidy nandrotsa-bato ho an’ny kandida iray sy ny taham-pandraisana anjara no mamaritra ny fandresena amin’ity fifidianana ity.

 

 

Samy manana ny isan’ny mpifidy nandatsa-bato ho azy ny faritra tsirairay, ary tsy nitovy ny isan’ny mpifidy voasoratra anarana. Raha hanao fampitahana tsotsotra ohatra isika, dia ny isan’ny mpifidy any amin’ny faritra DIANA sy Matsiatra Ambony mitambatra no manome mpifidy mitovitovy isa amin’ny any Vakinankaratra, izay maherin’ny 7 hetsy ny mpifidy voasoaratra anarana. Raha jerena, dia toerana miisa 10 amin’izao fotoana izao no hitarihan’ny kandida Marc Ravalomanana vonjimaika, toa an’Analamanga, Alaotra Mangoro, Boeny, Bongolava, Itasy, Menabe, Amoron’i Mania, Vatovavy Fitovinany … izany hoe 10/22, saingy be mpifidy ireo mitaha amin’ny faritra hafa, izay midika fa tombony lehibe ho azy. Andrasana ny voka-pifidianana ofisialy avoakan’ny CENI amin’ny 20 novambra izao ary hatolotra ny HCC avy eo. Mety mampiteraka ahiahy ho an’ny mpanara-dia amin’i Marc Ravalomanana ny resaka birao fandatsaham-bato ambara fa “Anomalie”, ka tsy azo hampidirina, izay isan’ny ahitana izany betsaka amin’ireo toerana nitarihany. Azo antoka tanteraka anefa fa efa miasa ny ekipa “équipe juridique” ho an’ny kandia Marc Ravalomanana amin’ny fitoriana sy fiarovan-tena mikasika ireny toe-javatra mety misy hosoka hamotehana ny safidim-bahoaka ireny. Heverina fa hangotraka ihany koa ny fampitahana ny voka-pifidianana miainga amin’ny fitanana an-tsoratra na ny PV, ka ho tratra ho azy eo izay manao hosoka.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT