Politique

Marc Ravalomanana Misy mikasa handoto hatrany


  • Alakamisy 15 Novambra 2018

Be ireo fandotoana ny endriky ny filoham-pirenena teo aloha, Marc Ravalomanana, izay sady kandida ho filoham-pirenena farany teo ihany koa taloha sy tao anatin’ny fampihelezankevitra ary mandrak’ankehitriny.

 

 

 Nanomboka tany amin’ny tambazotran-tserasera isan-karazany izany ka hatreny amin’ireo tamboho sy rindrina manerana ny nosy. Arakaraka ny nanaratsiana ity filoha teo aloha ity anefa no vao mainka naha be ny mpanaradia azy. Hany herin’ireo mpisompatra rehefa tonga amin’ilay fitenin-jatovo hoe lany fika dia niparitaka indray ny trakta nampiseho ny sarin’ity kandida ity miaraka amina fehezanteny manakana ny olona tsy hifidy ny 6 novambra teo. Iray andro nialohan’ny fifidianana. Hita ho tsy nilavo lefona nanoloana izany hatrany anefa ity kandida ity ary ankehitriny efa atomotra ny datin’ny 20 novambra izay tokony hamoahan’ny CENI ny valim-pifidianana avy aminy dia misy andian’olona indray nampisalorana fanamiana misy saron’ity filoham-pirenena teo aloha ity nampiarahana tamin’ireo andian’olon-kafa hitaky ny famerenana ny fifidianana teny amin’ny CENI Alarobia omaly. Hatreto aloha, raha ny fantatra, dia tsy mbola nisy notakian’ny kandida Ravalomanana sy ny ekipany tamin’ny vaomiera mahaleotena misahana ny fifidianana ankoatry ny zotran-tserasera na hoe « fichier » ahazoana ireo vokatra isaky ny biraom-pifidianana avy amin’ny CENI ary mbola tsy nanala ireo delegeny eny Alarobia. Misy mikasa handoto hatrany, araka izany, ity kandida iray ity.

J. Mirija

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT