Nampahafantarin’i Marc Ravalomanana tamin’ny mpanao gazety omaly alatsinainy 22 oktobra ireo mpiara-miasa aminy akaiky.
Anisan’ny nanaitra ihany ny nahita an’i Serge Zafimahova, izay mpandrindra ankapoben’ny fampielezan-kevitra, nanambara fa ny kandida laharana faha-25 no mahafeno ny fepetra ho filohan’ny Malagasy. Talen'ny fampielezankevitra i Charles Ranavela sy Tsehenoarisoa Rabenja, ny Filohan'ny KMMR moa dia Raveloson Constant, Filohan'ny komity manohana ny fampandrosoana sy ny fahamarinana na ny CSDE ny Kolonely Eugène Claude Josoa. Eo amin’ny sehatry ny fifandraisana amin’ny fifandraisana Iraisam-pirenena kosa dia ny Ambasadaorontsika tany Japon teo aloha Jimmy Ramiandrisoa. Tsy manilika na iza na iza te-hiara-miasa aminy ny kandidà Marc Ravalomanana ka nanamafy izy fa kihon-dalana iray lehibe ny fifidianana hotanterahina ny 7 novambra 2018 ary efa vonona tanteraka aho, hoy izy, satria mijaly ny vahoaka Malagasy sady efa sivy taona no niandrasana izany. "Izaho Marc Ravalomanana dia mandray lesona avy amin'ny tantara sy ny lasa fony aho nitondra ny firenena sady hampihatra ihany koa ny foto-kevitra nijoroan'i Profesora Zafy Albert, izay nametraka lova ho an'ny firenena toa an'i Nelson Mandela, raha ny filozofiany momba ny fampihavanam-pirenena sy ny Fanorenana ifoton'ny Repoblika no resahina", hoy izy. Manoloana ny toe-javatra mifamahofaho momba ny hihemoran’ny fifidianana, dia nanamafy ny tenany fa manaja hatrany, toy ny anakandriamaso ny lalàmpanorenana. Ny CENI no nanome ny daty, dia manaja an’izay izy hoe amin’ny 7 novambra ny fifidianana. Mikasika ny fanokafana ny lisitra izay takian’ny kandida maro, dia hihemotra ny fifidianana raha sokafana io, hoy izy. Tsy hoe manaiky na tsia an’izay aho fa andraikitry ny CENI io, hoy izy, ary niaiky ny tenany fa misy ny tsy fahatomombanana. Eo anatrehan’ny mety ho voka-pifidianana eo manoloana ny resaka tsy mazava na ny mety ho hala-bato, dia nambarany fa misy fetrany ny azo ekena sy tsy azo ekena satria mihoatra ny fefy. Misy rahateo ny mpanara-maso, indrindra avy amin’ny sehatra iraisam-pirenena, izay manome volabe hanatontosana ny fifidianana. Nohamafisiny fa tsy azo ihodivirana ny fiaraha-miasa amin’ny sehatra iraisam-pirenena satria fony izy teo, dia ny 87% amin’ny tetibolantsika dia avy any amin’izy ireo, ary amin’izao aza mety efa 90%. Izany no nahafahany niasa sy nampandroso taorian’ny fanafoanana ny trosantsika 5 miliara dolara tamin’ny 2005. Ny lalana mampifandray an’Antananarivo-Diègo, ohatra, dia ny Vondrona Eoropeanina no namatsy vola ny fanamboarana azy. Momba ny fampiasam-bola amin’ny fifidianana kosa dia efa 9 taona no niandrasana ny hakana fitondrana amin’ny fomba demokratika, ka afaka manara-maso ny SAMIFIN. Misy ny fiaraha-miasa amin’ny Amerikana sy ny ao La Réunion, izay namatsy tamin’ny fanontana ny « poster » ary ny « hélicoptères » roa dia nisy ny fifanarahana tamin’ny ao Afrika Atsimo. Manamafy ny fanomezan-tokiny amin’ny vahoaka i Marc Ravalomanana, fa efa mipetrapetraka ny fanarenam-pirenena satria mijaly ny vahoaka. Ohatra iray ny fahavononan’ny Vondrona Eoropeanina amin’ny famatsiam-bola hahafahana mametraka ny fitsinjaram-pahefana tena izy. Toy izany ihany koa ny fahavononan’ny Alema amin’ny alalan’ny GIZ hamatsy vola hatrany amin’ny 160 tapitrisa dolara amin’ny resaka fiarovana sy ny fanatsarana ny tontolo iainana.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.