Politique

Marc Ravalomanana Mipetrapetraka ny vahaolana ara-toekarena


  • Talata 11 Desambra 2018

Mipetrapetraka ny paikadin’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany amin’ny vahaolana ara-toekarena ho an’i Madagasikara. Havadika ho “Banque postale” ny ampahany amin’ny Paositra Malagasy, izay ny 35%

 

 

 amin’ny faritra eto Madagasikara ihany amin’izao ny voarakotry ny paositra, hoy ny fanazavan’i Serge Zafimahova ny faran’ny herinandro teo. Ho feno ny 100% rehefa mivadika ho banky. Isika tany amin’ny CBI tamin’ny 2016 dia nahazo 330 tapitrisa dolara tamin’ny rantsan’ny Banky Iraisam-pirenena ho an’ny sehatra tsy miankina. Raha nampiasaina ho an’ny sehatra tsy miankina Malagasy, ka manome 15 tapitrisa dolara isaky ny faritra dia efa tena mahavita zavatra goavana izany. Ho lasa “Banque Postale Banque de Developpement” ny paositra ankoatra ny asa efa fanaony mahazatra, ka 5% eo ny zana-bola izay hisy fanamorana samihafa. Sarotra amintsika izany zana-bola 22 na 18 na 14 kanefa ny any Frantsa, ohatra, dia 3 hatramin’ny 4,5% eo. Ny Maorisianina 4 hatramin’ny 6,5%. Ny antsika Malagasy kosa ataon’ireo banky dia 14,5 hatramin’ny 22% ny tahan’ny zana-bola halaina, izay ho tototry ny zana-bola ny mpandraharaha Malagasy. Vahaolana lehibe no haroson’i Marc Ravalomanana sy ny ekipany rehefa tonga eo. Hahafahana miasa sy mindram-bola satria kely kokoa ny zana-bola. Ny zavatra tratrarina dia ianao amin’ny sehatra tsy manara-dalàna fa ampiana ho lasa amin’ny sehatra ambony sy matihanina kokoa, ary hivoatra hatrany hoe ny orinasa madinika ho lasa salantsalany, ary ny salantsalany ho lasa orinasa lehibe, izany hoe hatao izay hivelaran’ny orinasa. Mila tohanana ny mpandraharaha na madinika na salantsalany na vaventy, raha tiana ny handroso. Ny mpandraharaha vahiny no mahazo vahana fa ny Malagasy no voaporiporitra amin’ny hetra eto amintsika fa ny vahiny toa hamoraina sy homena vahana, raha ny nambaran’i Serge Zafimahova. Ohatra noraisiny ny any Ankadinondry sakay hoe: Ny vary Tsipala rehefa ny Réunionais no mandraharaha dia tafiditra fa rehefa Malagasy dia tratry ny teritery samihafa. Ohatra faharoa ny nahazo an’i Chef Mbinina tompon’ny La Gastronomie Pizza tatsy Maorisy. Tsy maintsy miditra “majorité” tao anatin’ny orinasany ny Maorisianina, namoronana dosie maloto toy ny resaka zava-mahadomelina,… Tsy ekena intsony ny tahaka izany, ka raisiny ihany koa ny entany dia afaka mandeha, raha tahaka izany, hoy izy. Rehefa tsy mifanaja dia aleo hifanakatona sisin-tany, fa tokony ho afaka miditra ihany koa ny Malagasy amin’ny resaka fandraharahana tahaka izany eto amintsika. Mipetrapetraka ny fanarenana ara-toekarena ho an’ny kandida Marc Ravalomanana. Misy ny mitondra nofy ary misy ny tena hitondra an’i Madagasikara amin’ny fampandrosoana, ka fidio ny filoha  Marc Ravalomanana fa izy no afaka hanarina ny firenena, hoy i Serge Zafimahova.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT