Teny amin’ny FJKM Imerinkasinina Fanasina no nankalazan’ny filoha mpanampy ny FJKM Marc Ravalomanana mivady ny fetin’ny paska ny alahady 5 aprily 2015 lasa teo. Tamin’ny 9 ora sy sasany maraina no nanomboka ny fotoam-pivavahana teny an-toerana. Paska voalohany niarahan’i Marc Ravalomanana tamin’ny mpino Kristianina eto Madagasikara taorian’ny 2009 izy ity.
Andriamanitra no mitsara
Ny mpitandrina Trimozafy Malemiharisoa Salomon no nitarika ny fotoana ary nitondra ny toriteny tamin’izany. Ny Soratra Masina izay voalaza tao amin’ny bokin’i Daniela 12:1-3, Jaona 20:1-3, Romana : 5:15-21 no nakana ny hafatra. Nambaran’ny mpitandrina fa io voalaza ao amin’i Daniela io dia midika fa Andriamanitra no mpitsara izao rehetra izao. N’inon’inona fiainan’ny olombelona dia heverina fa ho avy ny Mpitsara. Fanambarana lehibe amin’ny fanjakan’Andriamanitra izany, hoy ny toriteny. Voalaza nandritra ny fampianaran’ny mpitandrina tany an-toerana ny hoe : “Misy fotoana ianao mahatsiaro fa toa tsy rariny ny zava-misy. Misy fetrany anefa ny fampijaliana ataon’ny olona amianao. Tsy avy amin’Andriamanitra anefa izany fa avy amin’ilay fahavalony. Andriamanitra no tompon’ny teny farany ka ho mpandresy isika, ary ny mino dia handova ny fiainana mandrakizay”. Ankoatra izay, tsy tokony hohadinoina, hoy hatrany ny toriteny fa : “ny zavatra mamiratra dia manome fahafinaretana ho an’ny hafa. Kintana hanazava ny fiangonana mba hitondra tokoa ny fampandrosoana ”
Famelan-keloka sy fandinihan-tena
Nandritra ny fandraisam-pitenenany no nanambaran’Atoa Ravalomanana ny hoe : “misaotra an’Andriamanitra fa tafahaona eto indray isika, tena faly aho fa tafahaona aminareo indray. Miarahaba antsika rehetra no sady mirary paska sambatra, ho paska fahalalahana ka tsy hogadragadraina intsony. Efa eto aho izao fa tsy any an-tany lavitra intsony. Ity paska ity dia manambara famelan-keloka”. Tonga ny fotoana hahafahantsika mandini-tena, hoy izy mba hiovana eo amin’ny fiainana. Ho lava ny resaka raha hitantara ny fiainako aho, hoy izy fa ny zava-dehibe dia ny fifampizarana sy ny fananana finoana. Tamin’ny fandraisam-pitenenana nataon’ny filoha mpanampy ny FJKM no nanomezany fitenenana ilay vehivavy teratany Amerikanina izay solontenam-piangonana any an-toerana. Nofaranana tamin’ny lavanti-bokatra ny fotoana tamin’izany. Taorian’ny fotoam-pivavahana dia nizotra nandeha an-tongotra ny filoha mpanampy ny FJKM Marc Ravalomanana mivady nijery ny trano fonenany eo akaikin’ny fiangonana. Efa an-dalam-panamboarana moa izany trano izany ankehitriny.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.