Politique

Marc Ravalomanana Miketrika ny fanokafana ny TIKO


  • Sabotsy 29 Aogositra 2015

Mbola manohy ny fitsidihana manokana ataony atsy amin’ny nosy La Réunion ankehitriny ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy. Omaly zoma 28 aogositra dia nitsidika ny orinasa lehibe mpikirakira ny vokatra ronono ho lasa « Yaourt », « fromage » sy « glace » izy.

 

 Orinasa lehibe indrindra eo amin’ny fanaovana ronono aty amin’ny ranomasimbe Indianina io notsidihany io ary efa mpiara-miombon’antoka namana nanampy azy teo aloha raha nanangana ny orinasa TIKO izy. Hisy akony lehibe eo amin’ny fiverenan’ny TIKO hisokatra atsy ho atsy izao fitsidihana izao. Efa miandrandra kalitao tena avo lenta eo amin’ity seha-pamokarana ronono ity ankehitriny ny mpanjifa malagasy sy ny mpamokatra ary  efa dodona amin’ny fiverenan’ny TIKO amin’ny laoniny.

Mpandraharaha i Marc Ravalomanana ary azo antoka fa misy ifandraisany amin’ny fiverenan’ny famokaran’ny TIKO yaourt sy ronono ary laglasy izao fitsidihana ataony atsy amin’ny nosy La Réunion izao. Taorian’ny nahatongavan’ilay teratany Danois efa miara-miasa taminy tany Antsirabe ny herinandro lasa teo mantsy izany, dia mihaona indray amin’ireo vahiny efa niara-niasa taminy any La Réunion izy. Mivoatra ny sehatry ny fikirakirana ny ronono sy ny vokatra azo avy aminy ka izay no tsy maintsy hijerena ny traikefa sy ny fomba fiasan’ny hafa. Ankoatra izay dia fantatra fa nijery ifotony ny traikefana orinasa iray amin’ny fomba fanamboaran-dalana ao La Réunion ihany koa i Marc Ravalomanana.

 


 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT