Politique

Marc Ravalomanana Miantso ny vahoaka ho eny Ambohijatovo


  • Zoma 09 Novambra 2018

Miantso sy manentana ny vahoaka Malagasy ho avy etsy amin’ny Kianjan’Ambohijatovo ny kandida Marc Ravalomanana rahampitso sabotsy 10 novambra manomboka amin’ny 2 ora tolakandro.

 

 

 Fotoan-dehibe hisaorany ny vahoaka tamin’ny fanatanterahana ny fanamby dia ny fifidianana tamin’ny 7 novambra teo io. Fanamafisana ihany koa fa vary sy rano i Marc Ravalomanana sy ny Malagasy, izay miara-miandry ny valim-pifidianana ka an-tsaha tsy mifanary, an-tanàna tsy mifandao fa hifanolo-tanana hatrany amin’ny fanarenana sy fampandrosoana ny firenena. Kandida mamim-bahoaka ary akaiky ny Malagasy izy ary porofon’izany ny voka-pifidianana amin’izao. Ny takarivan’ny datim-pifidianana ihany, dia efa naneho ny tenany fa mahatoky ny ho lany ary fihodinana voalohany. Omaly moa dia nisy ny fanambarana nataon’ny talen’ny fampielezan-kevitry ny kandida Marc Ravalomanana, dia Atoa Rabenja Tsehenoarisoa fa misy ny toe-javatra mamohehatra samihafa ataon’ny kandida iray sy ny mpomba azy. Misy fetrany ny fandeferana, hoy izy. Nasiany teny koa ny fanambarana hafahafa ataon’ny kandida milaza tena sy mitonon-tena ho mpandresy. Toa efa midika zavatra hafahafa izany, ary andrasana izay toromarika ho an’ny vahoaka eo anatrehan’io. Miandry ny ho fizotran’ny toe-draharaha ny rehetra ary dodona hiandry izay hambaran’ny kandida Marc Ravalomanana amin’izao andro vitsy taorian’ny latsa-bato sy eo am-piandrasana ny vokatra feno avoakan’ny CENI izao. Manangona ny vokatra sy ny firaketana an-tsoratra ihany koa. Fanitsakitsahana ny safidim-bahoaka ny mety hisian’ny fanodinkodinana voka-pifidianana, izay irariana tsy hisy na niaraha-nahita aza ny karazana lesoka na mety ho lalao maloto. Andrasana ny tatitra samihafa hataon’ny mpanara-maso isan-tsokajiny. Efa nisy fotoana izy nilaza fa misy ny azo ekena ary misy ny tsy azo leferina rehefa mihoatra ny tokony ho izy sy hita miharihary. Liana sy dodona hihaino azy ny vahoaka Malagasy.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT