Mahatsiaro mbola voafatotra aho na dia efa miroso amin’ny fampihavanam-pirenena ataon’ny FFKM aza isika ankehitriny…Manantena indrindra aho fa haneho fiombonana tanteraka amiko ianareo, araka ny efa voalazan’ny Soratra Masina.
Nanoratra taratasy
Io no votoatin-kevitra tao anatin’ny taratasy nalefan’Atoa Marc Ravalomanana any amin’ny mpitandrina Lala Rasendrahasina sy ny biraon’ny mpiandraikitra foibe sy ireo mpiandraikitra foibe ao amin’ny Fjkm. Amin’ny maha filoha mpanampy ny Fjkm azy no nanoratany io taratasy io mba nanehoany fa voatohintohina ny zony ary tena loza mitatao ho an’ny fiangonana izao endrika fanaparam-pahefana izao no sady fanitsakitsahana ny lalàmpanorenana ihany koa izay mamaritra fa tsy tokony hijabahan’ny fanjakana ny asam-piangonana. Noho izany dia nangataka am-pitiavana ny Mpiandraikitra Foibe Atoa Marc Ravalomanana, mba haneho fiombonana aminy ka hangataka amin'ny filoham-pirenena am-perinasa izay zanaky ny Fjkm ihany koa, ny hanafoanana ilay didim-panjakana mbola mametra ny fahalalahany. Mba tena ho tanteraka tokoa ilay fampihavanam-pirenena. Tsara homarihana, araka ny nambarany fa efa nandefa taratasy fangatahana any amin’ny filoham-pirenena mba hanafoanany ilay didim-panjakana navoaka tamin’ny 24 desambra 2014 i Marc Ravalomanana ny alarobia 01 aprily lasa teo momba ilay « assignation à résidence fixe » fa tsy nisy valiny moa izany hatramin'izao.
Atao mitovy zo
Fepetra napetrak’ity filoha teo aloha ity sy ireo mpiara-dia aminy moa, mialoha ny hiverenan’izy ireo ao anatin’ny zotran’ny fampihavanam-pirenena ny fampitoviana zo ireo filoha rehetra mandray anjara ao, izany hoe averina atao olona afaka, tsy ambenana tahaka ny gadra lava ary afaka miteny sy mandeha any amin’izay toerana rehetra tiany aleha, amin’ny fotoana rehetra i Marc Ravalomanana, tahaka an’i Andry Rajoelina, Didier Ratsiraka, Zafy Albert ary Hery Rajaonarimampianina. Tsy ara-drariny tokoa mantsy ny fifampidinihana raha toa ka misy olona iray amin’ireo mpandray anjara afaka managadra ny olona iray miaraka mivory aminy ao.
RTT
Légende :Mbola olona voaara-maso tahaka ny gadra i Marc Ravalomanana hatramin’izao
ENCADRE
Niara-niombom-bavaka tamin'ny mpino tao amin'ny fiangonana FJKM Ambohimarina Faharetana Mahabo Andoharanofotsy ny filoha Marc Ravalomanana mivady omaly alahady 19 aprily 2015. Tamim-pifaliana no nandraisan'ny vahoakan'Andriamanitra azy ireo, izay tonga marobe na dia tampoka aza ny fahatongavany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.