Politique

Marc Ravalomanana Mbola tena henjana raha hiserasera


  • Alatsinainy 22 Desambra 2014

Samy nanamarika ny mpanao gazety sy ireo rehetra vavolombelon’ny fihaonana an-tampon’ireo filoha 5 teny Ivato ny zoma lasa teo fa azo nambara mihitsy fa nitovy ny harofenitra napetraka momba ny fiarovana ny filoha Hery Rajaonarimampianina sy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana

Ity farany izay tonga tamin’ny alalan’ny elikoptera moa ary tonga farany teny Ivato taorian’ireo filoha 4 mirahalahy. Na tsy nisy aza ny resaka mitokana tamin’ny mpanao gazety nataon’ireo filoha tsirairay dia samy nahatsikaritra ny rehetra fa mbola henjana i Marc Ravalomanana raha ny lafiny serasera no resahana, serasera amin’ny fomba fihetsika, ny fandeha no tiana ambara eto. Ampy nilaza zavatra maro ny fijeriny sy ny fitsikiny ary ny fandehany sy ny fomba nipetrahany na nitsanganany tao amin’ilay efitrano nanaovana ny valandresaka ho an’ny mpanao gazety. Tsy adinony ilay fampihomehezana kely diso hahafantaran’ny maro azy loatra rehefa nambara fa hifandray tanana ny rehetra, ka izy no somary nitodika an-kavia sy an-kavanana ka nandray ny tanan’ny Amiraly Ratsiraka sy i Andry Rajoelina.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT