Niomana fatratra ny hitondra firenena i Marc Ravalomanana, ary nipetrapetraka ny programam-pampandrosoana, kanefa ireny no voka-pifidianana izay niteraka adihevitra saingy naneho fahendrena izy.
Ekena fa hahafahana mandray fanapahan-kevitra sy mandray an-tanana ny fampandrosoana ny fahazoana fahefana, saingy tsy tokony ho sakana ho azy izany na eo aza ny zavatra mety tsy ho vita raha tsy ao anaty rafitra. Mbola ho avy ihany koa anefa ny fifidianana depiote, ben’ny tanàna, loholona … Raha ny loharanom-baovao, dia efa niomana tamin’ny fanomezana vola 100 tapitrisa dolara hiatrehany ny 100 andro voalohany amin’ny fitondrana ny firenena ny Banky Iraisam-pirenena. Tsy mba manana olana amin’ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy ny Banky Iraisam-pirenena i Marc Ravalomanana, ary maro amin’ireo olona niara-niasa taminy tao anatin’ny fitondrana rahateo no manana andraikitra ambony any amin’ireny rafitra ireny, ankoatra ireo olobe samihafa eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena. Atokisana sy eken-teny izy satria nampiaiky volana ny rehetra ny lalana nizorany na tamin’ny asa fandraharahana na tamin’ny fitondrana ny firenena, ka saika niara-niasa taminy ny rehetra: Norvezianina, Alema, Aostralianina,... Nanorina tsy ho fihariana ihany fa hanasoavana ny mpiara-belona sy ny fiarahamonina izy teo amin’ny tontolon’ny fandraharahana ary ampahatsiahivina hatrany ny tenin’Atoa Manandafy Rakotonirina, izay mbola naveriny tamin’ny andron’ny fampielezan-kevitra farany teo, fa tena handroso i Madagasikara raha manana Ravalomanana kely be dia be. Teo amin’ny fitondrana ny firenena, dia ekena fa mety samy nanao izay vitany ireo nifanesy teo, fa hafa ihany i Marc Ravalomanana. Nosokajian’ny ONUDI (Organisation des Nations Unies pour le Développement Industriel) ho firenena filamatra taty Afrika i Madagasikara. Mpitarika mahay ny tenany ary tsiahivina fa voafidy ho mpitarika politika mendrika indrindra taty Afrika ny taona 2017. Efa nanasoa ny firenena i Marc Ravalomanana, kanefa mbola mila ny fahaiza-manaony ny Malagasy, indrindra fa ny tanora. Maro ny soa efa notovozina tamin’i Marc Ravalomanana, ary andrandrain’ny maro ny fitohizan’ny fampitany ny fahaiza-manaony, ka hihamaro ireo Ravalomanana kely be dia be afaka handray an-tanana ny fampandrosoana ny firenena amin’ny endriny maro.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.