Niala maraina omaly tao Nosy-Be nihazo an’Antsiranana ny fiaramanidina manokana nitondra ny filoha Marc Ravalomanana rehefa avy nandevina ny anabaviny taty Antananarivo ny alahady 26 oktobra lasa teo. Tsy nampoiziny ny hamaroan’ny olona tonga nanofahofa tanana sy nankahery azy teo am-pahatongavana tao amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart
Tsy nampoiziny ny hamaroan’ny olona tonga nanofahofa tanana sy nankahery azy teo am-pahatongavana tao amin’ny seranam-piaramanidina Arrachart. Eny fa hatramin’ireo vahiny mpizahatany miandry fiaramanidina hiondranana aza rafitra naka sary. Na teo aza ny fahoriana nianjady tamin’ny fianakaviany, dia matanja-tsaina ny filoha Ravalomanana ary naneho endrika miramirana hatrany izy. Nihazo avy hatrany ny Amirauté toerana igiazan’ny fitondram-panjakana azy izy taorian’izay. Ny tsy mbola isian’ny marimaritra iraisana amin’ny toerana hipetrahany eto Antananarivo no voalaza hatreto fa mbola namerenana azy any Antsiranana. Ny trano fonenany eny Faravohitra no takian’Atoa Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany, tsy mbola resy lahatra amin’izany kosa anefa ny fanjakana, mba ho fiarovana ny ainy raha ny loharanom-baovao heno. Re anefa fa hisy indray ny fihaonan’ny solontenan’ny fianakaviana Ravalomanana sy ny filohan’ny Repoblika, hitadiavam-bahaolana mikasika izany.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.