Politique

Marc Ravalomanana Mandresy no toromarika


  • Alatsinainy 08 Oktobra 2018

Nisy ny fotoam-pivavahana omaly alahady tany amin'ny FJKM Imerinkasinina, izay nanomezan'ny Fiangonana tsodrano ho an’i Marc Ravalomanana kandida laharana faha-25, ho tody soa aman-tsara amin’ny tanjona, dia ny ho tonga indray eo amin’ny toeran’ny filoham-pirenena, hanarina sy hampandroso an’i Madagasikara.

Zava-dehibe ho anay mianankavy izany izany koa dia misaotra indrindra, hoy izy. Nitohy teny amin’ny Kianjan’ny Finoana eny amin’ny Magro Behoririka ny fitondrana am-bavaka ho an’ny fampielezan-kevitra, ka tao anatin’izany no nanomezany toromarika hoe: “Miasa mafy, miasa tsara, ary mifampatoky tsara isika”. Navoitrany ny fahorian’ny Malagasy, toy ny olana amin’ny rano fisotro madio, ny resaka delestazy, ny olan’ny mpampianatra sy ny fanabeazana, ny faharatsiana sy fahapotehan’ny làlana, ny fijerena manokana ny vehivavy, ny fitsinjaram-pahefana tena izy,… izay efa hananany ny paikady sy ny fomba hahafana mihoatra amin’izany satria nijery ifotony, nihaino ny hetahetam-bahoaka sy ny zavatra manjo azy i Marc Ravalomanana ary mitondra vahaolana avy eo satria efa mipetrapetraka ny MAP 2. Isan’ny 87% tamin'ny famatsim-bola fony izy nitondra, dia avy amin'ny Tahirim-bola iraisam-pirenena sy Banky iraisam-pirenena,  ary mbola vonona amin'ny MAP 2 ny mpamatsy vola, raha ny nambaran’ny depiote Hanitra Razafimanantsoa mpanolontsaina azy sy ny Talen’ny Fampielezan-kevitry ny kandida laharana faha-25 dia Atoa Rabenja Tsehenoarisoa. Tsy tapaka mandrak’androany ny fifandraisany amin’ny mpamatsy vola mahazatra ary efa nahazo antoka izy.  Raha mitaha amin’ny hafa, dia kandida niasa nahavita asa be dia be kanefa nopotehina. Nahatratra 9200 km ny làlana vitany. Nahatsinjo ny zanaka Malagasy tamin’ny alalan’ny “kits scolaires”, ary 92% ny tahan’ny fidirana an-tsekoly. Nahafantarana an’i Marc Ravalomanana hatramin’izay ny hoe tsy voafehin’iza na iza izy ary tsy sandaina vola i Marc Ravalomanana. Misy amin’ireo kandida ireo ny hoe misy firenena izatsy na izaroa no manohana azy, fa I Marc Ravalomanana hatramin’izay tena sarotiny. Ny zavatra tandroviny voalohany rehefa manao zavatra dia ny hoe tsy misy tambiny na “contre-partie”, ka rehefa tsy ny mpamatsy vola sy ny mpiara-miombon’antoka mahazatra dia tadidio fa tsy ny fitiavany anao no anton-diany, fa  misy tambiny. Efa hita izany tamin’ny tetezamita sy tamin’ity fitondrana ity, dia ireny hita ireny hoe ny tany homena ny sinoa, ny ranomasina homena vahiny, fa ny Malagasy miala amin’ny taniny sy ny harena misy azy, ka tsy i Marc Ravalomanana no hanao izany, hoy ny depiote Hanitra Razafimanantsoa. Ny vola eritreretina holaniana dia fananany no laniany amin'io. Marina fa norobaina izy! Mety tsy manana ny hanan’ny hafa izy, saingy ny hafa niditra teo mety trano 1 sy fiara 2 no teo, fa niala tao ianao lasa mpanefoefo sy manan-karena tsy toko tsy forohana satria nanondrana harem-pirenena. Ny vahiny izay manampy anao, dia tadidio fa misy harena ity Madagasikara ity, ary efa amidy ambongadiny, ka mbola tsy tonga eo izany dia efa lafo ambongadiny  i Madagasikara, hoy hatrany ity depiote ity.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT