Tsy taitra, tsy maika, kanefa tsy tara i Marc Ravalomanana eo anatrehan’ny fanambarana ofisialy sy amin’ny fomba manetriketrika ny filatsahan-kofidiany,
ary na ilay fihaonambe hamaranana ny faha-15 taonan’ny antoko TIM tokony hatao eto Antananarivo aza, dia mbola nahantona aloha. Amin’ny maha olon’ny finoana sy ny fiangonana azy, ary indrindra ny adidy lehibe iantsorohany, dia mbola mifantoka amin’izany aloha ny tenany amin’ny maha filohan’ny Jobily fankalazana ny faha-50 taonan’ny FJKM azy. Any Toamasina ny 12-19 aogositra no hifampitaona amin’ity taon-jaobily ity ny mpino FJKM izay miara-dalana amin’ny jobily faha-200 taona nidiran’ny filazantsara nentin’ny misiona LMS. Amin’ny herinandro ambony ny tenany no tombanana hanatitra ny antontan-taratasy filatsahan-kofidiany. Tsy misy atahorany, tsy misy mahamaika azy, ary tsikaritra ho manana fahatokisan-tena i Marc Ravalomanana satria fantatra ny nataony, ary tena nahavita izy raha fampandrosoana ny firenena sy ny fiainam-bahoaka no resahina, samy mahafantatra tsara izany na ny eto an-toerana, na ny any ivelany. Izy rahateo no manana fandaharan’asa matotra sy mahomby indrindra ary efa hita fa nety teto Madagasikara ny Madagasikara am-perinasa (MAP), izay ny vahiny aza gaga sy talanjona. Tsy olana ny fikarohana famatsiam-bola ho azy, ary olon’ny vahaolana rahateo i Marc Ravalomanana.Mandresy no toromarika, ho an’i Dadavalo sy ireo mpomba azy ary tsy vao izao izy ireo no niomana hiatrika fifidianana fa efa nanomboka tamin’ny 2009. Politika anefa no lalaovina, ary mitandrina sy manomana fatratra izany ny tenany. Tsy izy irery ihany fa anisan’ny tsy rototra ihany koa ny filoha ankehitriny Hery Rajaonarimampianina na misy aza ny kandida efa iaraha-mahita fa mikofokofoka mafy amin’ny fampielezan-kevitra mialoha ny fotoana, toa an’i Andry Rajoelina. Na efa mipetraka aza ny daty sy ny tetiandrom-pifidianana, dia mbola misy mampametra-panontaniana hoe hisy tokoa ve io fifidianana io ? Tsy tongatonga ho azy ny tsy fikoropahan’ny kandida lehibe, hoy ny mpamakafaka ara-politika Gilbert Raharizatovo.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.