Politique

Marc Ravalomanana Manangana firenena demokratika miaraka amin’ny vahoaka


  • Alarobia 21 Novambra 2018

Tsy misy hahita tombontsoa amin’ny korontana. Nisy ireo tsy fahatomombanana tamin’ny lisi-pifidianana sy ny fifidianana tamin’ny ankapobeny, ary izany no mahatonga ny fitarainana sy fitoriana maro tonga eny amin’ny HCC.

 

 

 

 

 Nahatonga ny CENI niantso ireo kandida mba hampitaha ny fitanana an-tsoratra (PV). Misy ny rafitra voafaritry ny lalàna fa mandinika sy ny mitsara ny fifanolanana momba ny fifidianana dia iny no hajaina. Mitety faritra Atoa Marc Ravalomanana, misaotra ny Malagasy nametraka fitokisana taminy, miantso fitoniana ihany koa izy ary tena resy lahatra fa fotoana tena hampisehoana ny herin’ny fihavanana Malagasy izao. Anisan’ny efa notsidihany tato anatin’ny andro vitsivitsy izao ny tany Alaotra Mangoro, Itasy, Atsimo Atsinanana. Tsy resaka fotsiny fa tena ampiharina sy atao mba hahazoana vokatra azo tsapain-tanana sy mahasoa ny firenena. Mety misy any ambadibadika any miketrika zavatra hafahafa, eny mety mikasa hanakorontana mihitsy satria milaza fa tsy afa-po amin’ny voka-pifidianana. Tsy izay no vahaolana raha ho an’i Marc Ravalomanana sy ireo mpanara-dia azy ary inoana fa mitovy hevitra amin’izay ny Malagasy maro an’isa efa niaina sy nahita ny krizy politika nampisavorovoro teto ny taona 1971, 1991, 2002 sy 2009. Tokony ho samy nahazo lesona tamin’ny tantara ny rehetra ka hisikim-ponitra amin’izay hikaroka ny hampilamina sy hampandroso tokoa ny firenena. Maro ireo firenena Afrikanina nahantra kokoa noho i Madagasikara 10 taona na 15 taona lasa izay saingy ankehitriny dia efa mamiratra sy mivoatra na ara-toekarena io na ara-tsosialy, satria nahay nanitsy ny tsy nety tao aminy izy ireo. Tonga ny fotoana ho an’i Madagasikara hananganana firenena vanona, firenena milamina, firenena miray hina, firenena manaja ny demokrasia ary manaiky ny fahasamihafan’ny hevitra sy ny fomba fijery, fa kosa atao ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny fitsipika izany. Tsy mendrika ity nosy ity ny fandravana sy fanapotehana tahaka ny nitranga teto tamin’ny 2009 izay mbola misy takaitra hatramin’izao 2018 izao. Efa vita iny ny fifidianana filoham-pirenena fihodinana voalohany, tsy dia hisy fiovana be manao ahoana ny vokatra ofisialy havoakan’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana na dia mety hisy aza ny fanitsiana isan-karazany. Tsy maintsy irosoana ny fihodinana faharoa ary efa mivonona amin’izany i Marc Ravalomanana sy ny TIM ary ny K25, manana fototra politika mazava tsara isam-pokontany ary efa tsikaritra amin’izao fotoana fa ho maro be ny olona, vondron’olona, fikambanana sy antoko hisafidy ny hiara-dia aminy. Tsy safidy ny korontana fa tsy maintsy miasa miaraka manangana firenena vanona isika, hoy ny ambetin-tenin’i Marc Ravalomanana ary izany dia tanterahana ao anatin’ny fanajana ny lalàna sy ny demokrasia.

RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT