Ny tarigetranay mivady hatrany am-piandohana, dia ny “hanangana”, tsy ho fihariana fotsiny fa ho fanasoavana ny mpiara-belona, araka ny hira fanevan’ny Vondrona Tiko, hoy i Marc Ravalomanana.
Tsy kobaka am-bava na fakana fom-bahoaka fotsiny io fa manaporofo izany ny zava-misy ankehitriny. Nopotehina sy natao fahirano ny Orinasa TIKO tamin’ny taona 2009, dia efa miarin-doha tanteraka izy ankehitriny, satria “Mpanangana aho fa tsy mpandrava. Raha somary nampahatsiahy ny tantaran’ny 2009 izy tany Frantsa ny 29 septambra teo noho ny filazan’ny sasany fa izy no lasibatra ara-pananana sy ara-materialy. Tafatsangana aho izao fa ny tena voa mafy dia ny vahoaka Malagasy iray manontolo, izay voasazy. Niezaka niarina i Marc Ravalomanana, saingy tsy ho azy irery fa hiarahan’ny Malagasy misitraka satria miasa mamelona tantsaha an’arivony, ohatra, ny Tiko ankehitriny ary efa tena miroso ny famokarana eo anivon’ny ozinina. Niarahana nahita ny yaourt sy ny dibera ary efa tazana eny amin’ny tsena ihany koa ny ranom-boankazo vita avy amin’ny mananasy. Fantatra fa tantsaha manodidina ny 4.000 no miara-miasa amin’ny Tiko amin’io sehatra io, ankoatra ireo mpaninjara efa ho ana hetsiny manerana ny nosy. Nisy hatrany ny ezaka nataon’ny filoha Ravalomanana sy ny mpiara-miasa aminy rehetra tamin’ny fanarenana tanteraka ity orinasa ity na dia teo aza ireo sakantsakana maro samihafa. Efa mandeha hatrany ny fanomezana asa ny Malagasy sy ny fanampiana ireo tantsaha amin’ny alalan’ny fanangonana sy fividianana ny vokatra, izay tsy hiandrasana propagandy sy voka-pifidianana tahaka ny an’ny sasany. Iaraha-mahalala ny fahasahiranan’ireo Malagasy ana hetsiny very asa noho ny fanonganam-panjakana tamin’ny taona 2009. Mbola olan’ny tantsaha ihany koa ny tsy fananany lalam-bokatra amin’izao fotoana satria efa saika potika sy tsy nasiam-panamboarana avokoa ireo fotodrafitrasa nataon’ny filoha Ravalomanana tamin’ny fotoan’androny. Tsy maintsy miady amin’ny fanambakana sy ny tsindry bokotra ataon’ny orinasa vahiny ny Malagasy raha te ho lasa lavitra. Izany no mahatonga ny orinasa TIKO tena mbola reharehan’ny Malagasy ary manana ny maha izy azy eto an-toerana sy any ivelany. Hisy akony tsara amin’ny toekarena manontolo izany tahaka, ny fananan’asa, ny fanandratana indray ny tantsaha sy ny vokatra vita Malagasy, indrindra ny fampiroboroboana ny tontolo ambanivohitra izay tokony hahavelona an’i Madagasikara.
Toky R sy Tsirinasolo
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.