Politique

Marc Ravalomanana « Mahatoky anareo aho, 1er Tour dia vita ! »


  • Alatsinainy 17 Septambra 2018

Efatra taona izao i Marc Ravalomanana no tafaverina an-tanindrazana ary efa nitety faritra maro nijery sy nihaino ny tarainan’ny Malagasy izay maro no tena sahirana. Tonga ity ny fotoana, kandida ofisialy i Marc Ravalomanana amin’ny 7 novambra tonga dia vitantsika « 1er tour » io, hoy izy tany Antsirabe ny andron’ny sabotsy lasa teo.

 

 

 

 Vakinankaratra dia manankarena ary miaraka isika. “Aza manontany basy amin’ny Angilisy”, hoy izy nanoloana ireo nilaza fa lasan’izy ireo ny fon’i Vakinankaratra. Tanànako ity ary haiko ny mampandroso azy ary fantatro ny filàna eto, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Namantsika daholo ny olona, aleo izy handray anjara, aleo izy hifidy. Maro ny olona te hanampy an’i Dada ka hatsangana ny Tahiry ho fampandresena an’i Dada, hoy ny tolo-kevitra. Izay vola arotsakao ao mety avokoa, hisy ny kaonty any amin’ny banky, tsy maintsy manara-dalàna isika, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Mbola ho avy ny fanazavana teknika misimisy kokoa momba azy io fa efa fantatra fotsiny aloha izany dia mahazo mandrotsa-bola ao ny olon-drehetra hanohana ny kandida laharana faha-25 ka io vola tahiry io no enti-miasa mandritra ny fampielezan-kevitra araka ny efa tondroin’ny lalàna mifehy ny fifidianana manankery amin’izao fotoana eto Madagasikara. Nanamafy an’io i Marc Ravalomanana omaly raha nihaona tamin’ny vahoaka tsy tambo isaina tonga namaly ny antsony omaly tetsy Mamory Ivato.  Tsara rahateo ny mampahatsiahy fa ny Ben’ny tanànan’Ivato Penjy Randrianarisoa, dia lany tamin’ny anaran’ny antoko TIM. Efa misokatra ny kaonty fandraisana anjara biriky ho an'ny firenena, ho fanohanana ny kandida laharana faha-25. Manantena antsika rehetra handray anjara amin'izany, hoy izy. Nisaotra sahady ireo tsara sitrapo, hoy izy. Teren’ny lalàna tsy maintsy hanana mpitam-bola ny kandida, ary mazava ho azy fa mila io kaontim-bola hanamorana ny fanaraha-maso ny vola ampiasaina amin’ny fifidianana. Vonona ny rehetra ny hampandany araka izay faraheriny an’i Marc Ravalomanana ka na aiza na aiza aleha rakotra vahoaka, resy lahatra ara-potokevitra. Tanjona iaraha-manana ny hoe: “1er tour ” dia vita ary atrehana ao anatin’ny fifampatokisana sy ny fifanampiana ny fifidianana. Nalai-nisaraka moa ny an-daniny sy ny an-kilany teny Ivato omaly, satria efa alina tamin’ny 8 ora mbola nisy ny nalaina nifandao. Faharesen-dahatra tsy misy ohatr’izany e !

 

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT