Omaly tolakandro no nigadona tatsy amin’ny nosy La Réunion ny filoha teo aloha Atoa Marc Ravalomanana
. Tsy be resaka izy ary teny fohy no nataony teo am-pahatongavana tao amin’ny seranam-piaramanidina Roland Garros fa fitsidihana manokana no ataony any, izany hoe tsy misy idirany amin’ny resaka politika na ny raharaham-pirenena. Voalazan’ireo nanatri-maso fa henjana ny fiarovana sy ny fiambenana ity filoha teo aloha ity tamin’ny fahatongavany ary vantany vao nivoaka ny seranam-piaramanidina izy tonga dia niditra tao anaty fiara efa niandry azy teo ivelany ary lasa. Araka ny nambaran’i Guy Rivo Randrianarisoa izay any La Réunon ihany koa dia fialan-tsasatra sy fijerena ny fandrosoan’ny tanàna no anton-dia any. Ity izany no fivoahana ivelan’i Madagasikara voalohany nataon’ity filoha teo aloha ity hatramin’ny niverenany an-tanindrazana ny 13 oktobra 2014. Midika ihany koa izao fa efa manana pasipaoro ara-dalàna i Dada ary afaka mivezivezy amin’izay toerana rehetra tiany haleha.
Manomana fifidianana ?
Tsy fantatra mazava moa na hijanona maharitra ao La Réunion na mety handray fiaramanidina hafa ka hiondrana any amina firenen-kafa indray ingahy Ravalomanana. Herinandro lasa tokoa mantsy izay dia nahoraka be fa ho any Etazonia sy Alemaina ity filoha teo aloha ity. Etsy an-kilan’izay, any La Réunion kosa dia misy milaza fa efa tafiditra ao anatin’ny fiomanana amin’ny fifidianana filoham-pirenena 2018 izao dian’i Dada any an-toerana izao. Ho hita eo ihany moa ny tohiny satria heverina fa tsy maintsy hisy ny vaovao ofisialy momba izao fivoahan’i Dada any ivelany izao.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.