Politique

Marc Ravalomanana “Ilay Mpanorina” Mifanentana ireo mpanohana azy


  • Alakamisy 30 Aogositra 2018

Niteraka fientanam-po ary namelona indray ny fanantenan’ireo mpomba azy ny fihaonana mivantana nataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’izy ireo tetsy amin’ny kianjaben’i Mahamasina ny sabotsy 25 novambra 2018 teo.

 Fotoana nanaovan’ity farany velirano fa hampihavana izy fa tsy hampisaraka, hanangana fa tsy handrodana ary hanome fa tsy handroba. Taorian’io dia mifanentana ireo mpomba sy mpanohana ny kandida Marc Ravalomanana. Tsikaritra izany eny amin’ny tambajotran-tserasera, sy amin’ireo fifanatonana mivantana izay manao tohivakana hatramin’ny fiandohan’ity herinandro ity, tsy eto an-toerana fa hatrany ampitan-dranomasina any. Anisan’ny teny manainga ao  ny hoe : fotoana izao hanehoana fahasahiana, araka ny teny filamatr'i Marc Ravalomanana. Fotoana fandraisana andraikitra, fotoana hitondrana ny anjara birikin’ny tsirairay avy ho fanohanana ity kandida ity hampandresena azy amin'io fifidianana ho avy io ka hiverenany indray eo amin’ny fitondrana hanarenany haingana an'i Madagasikara amin'ny lafiny rehetra dia ny toekarena, fanabeazana ny mpianatra, fotodrafitrasa, soatoavina, fiarovana ny harem-pirenena, ... sy hanohizany indray ny fanatanterahana ireo tetika fampandrosoam-pirenena, fampandrosoana izay nijanona tampoka tamin'ny taona 2009, noho ny fanonganam-panjakana notarihin'ny Malagasy mpivarotra-mpamadika tanindrazana sasantsasany, ary nampian'ny Frantsay. Ny tanora no hita ho tena mientana mampiseho firaisankina, hanoratra tantara fa tsy hanaiky ny hiaritra fotsiny amin’izao ka hifanohana, hifampitantana ary hanao soroka miara-milanja sy tongotra miara-mamindra mba tsy hitsanga-menatra fa hanana ny maha izy azy sy ho afaka hitantara amin’ny faramandimby fa "Izaho koa nandray anjara, nanova ny tantaran'i Madagasikara, ka nahatonga azy ho firenena mandroso sy vanona toy izao, tamin'ny alalan'ny fampandresena ny kandida Marc Ravalomanana, lehilahy Tia Tanindrazana".

Jean D.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT