Politique

Marc Ravalomanana Ifandrombahana ny mihaona aminy


  • Alakamisy 25 Jona 2015

Nihaona tamin’ny masoivohon’i Afrika atsimo eto amintsika teny Faravohitra Atoa Gert Grobler indray omaly maraina ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana. Naharitra adiny iray sy sasany ny fihaonan’ny roa tonta, izay nifantoka tamin’ny toe-draharaham-pirenena ka niresahana ny krizy eo amin’ny andrim-panjakana sy ny vahaolana mahakasika izay, ny momba ny fahamarinan-toeran’ny firenena izay efa tena latsaka an-katerena tokoa ankehitriny.

 

Manana ny maha izy azy

Nanatrika ity fihaonana ity ihany koa i Donat Andriamahefamparany sekretera jeneralin’ny antoko Tiako I Madagasikara sy Tojo Ravalomanana. Miteraka adihevitra etsy sy eroa moa ity hoe masoivohona firenena vahiny na fikambanana iraisam-pirenena tonga eny Faravohitra mihaona amin’i Marc Ravalomanana isan-kerinandro, ary efa ho isan’andro mihitsy aza satria tena tsy mbola fahita hatramin’izay.Ao ireo milaza fa dia efa nifindra eny Faravohitra mihitsy izany ny lapam-panjakana sy ny ministeran’ny raharaham-bahiny ary tena any amin’i Dada ny lakile matoa tonga mihaona aminy eny ireo masoivohon’ny firenena ngeza sy matanjaka indrindra eto an-tany tahaka an’i Etazonia, Frantsa, Grande Bretagne, Afrika Atsimo, efa tonga teny ihany koa ny solontenan’ny vondrona Afrikanina sy ny vondrona eoropeanina eto amintsika. Toa manaporofo izany rehetra izany fa anisan’ny mpandray anjara politika tsy azo ihodivirana eto Madagasikara Atoa Ravalomanana ary tena ilain’ny rehetra ny heviny ny amin’ny fomba hamahana ny krizy maro samihafa misy eto amntsika amin’izao fotoana.Tsara homarihana fa efa nisy ihany koa ireo solombavambahoaka, tsy TIM ihany fa avy amin’ny ankolafin-kery politika hafa efa nihaona tamin’ity filoha teo aloha ity ary vao atsy ela koa izay no nahafantarana fa efa nisy ny fifampiresahana teo amin’i Marc Ravalomanana sy Jean Max Rakotomamonjy filohan’ny antenimieram-pirenena. Na ahoana na ahoana adihevitra atao dia mazava ny resaka fa tena ifandrombahana ny mihaona sy maka hevitra amin’i Marc Ravalomanana ary samy manaiky ny rehetra fa olobe manana ny maha izy azy eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena i Dada ary tena mbola mila azy i Madagasikara.

RTT


 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT