Tsy mitsahatra ny dia arahin’asa ataon’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana any Ivelany. Any Séoul Korea Atsimo izy ankehitriny, andro fahefatry ny diany any ny anio. Feno dia feno ny fandaharam-potoanany
.
Voaporofo amin’izao diany izao ny maha olon’ny fifandraisana an’i Dada. Henika azy ny sehatra rehetra, na ara-tsosialy io na politika na fifandraisana iraisam-pirenena, tsy resahina ny lafiny fandraharahana ara-toakarena. Ary ifandrombahan’ny olona mihitsy izy any ivelany any. Praiminisitra lefitra no mandray azy tatsy Maorisy. Mpandraharaha matanjaka eo amin’ny fanodinana ronono no nihaona taminy tany Danemark. Akaiky azy koa ny tanora, toy ilay tovolahy koreanina tatsimo mpianatra amin’ny oniversite, tsy nisalasala nanatona sy nangataka “autographe” na sonia fahatsiarovana taminy vao nahita azy, hanamarihany ny hafaliany nahita maso an’i Marc Ravalomanana, filoham-pirenena teto Madagasikara, izay efa faniriany.
Nanomboka omaly dia mandray anjara amin’ny zaikabe faha-100-n’ny eglizy presbiterianina tanterahina any Wonju, faritanin’i Gangwon, any Korea Atsimo i Marc Ravalomanana. Solontenana firenena maro avy amin’izao tontolo izao no mandray anjara amin’ity zaikabe iraisam-pirenena ity. Eo amin’izay sehatry ny finoana izay, tsiahivina ihany fa filoha lefitra laika eo anivon’ny Fiangonan’i Jesoa eto Madagasikara i Marc Ravalomanana.
Talohan’io dia nisy koa ny fihaonany tamin’ireo tanora Malagasy mandranto fianarana any Korea Atsimo. Narahina dinidinika sy fifanakalozan-kevitra ary fifampitam-baovao ny fihaonana. Nisy ihany koa ny fanasana azy handray anjara tamin’ny hetsika ho fanohanana ny fampitambarana an’i Korea roa tonta sy hanjakan’ny fandriampahalemana any amin’ireto firenena ireto sy ho an’ny firenena eran’izao tontolo izao.
Ra-Bri
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.