Politique

Marc Ravalomanana, hoy ny filoha Rajaonarimampianina omaly raha tafaresaka fohy tamin’ny mpanao gazety teny Analakely izy. Izany ve tsy filman’ny tetezamitatra !


  • Alarobia 08 Oktobra 2014

Tsy nampisy olana amin’ny fidirana amin’ny fanoherana nambaran’Atoa Ravalomanana Marc ireo mpiara-dia aminy ao Toamasina, satria mihevitra izy ireo fa lojika be ny fidirana amin’izany raha ny toe-java-misy ankehitriny ataon’ny fitondrana. “Rehefa tsy mifampihaino dia tsara ny misaraka, satria raha fitondrana manao be marenina no hifampiresahana sy hiaraha-miasa, dia tsy hitereaka fampandrosoana noho ny hevitra tokana entiny hampandroso firenena nefa tsy hita mandeha akory”,

izay no nambaran’ny Me Rasamimaka Mahefalahy. Ho an’ireto ankolafy Ravalomanana sy mpikatroka Tiako I Madagasikara Toamasina ireto, dia manana ny vina tiany hampandrosoana an’i Madagasikara sy entina hanalana ny vahoaka ao anatin’ny fahantrana lalina izy ireo, saingy tsy misy mihaino na efa manolo-tanana sy manoro hevitra ihany tao anatin’izay 09 volana izay. Ho an’ireto mpiara-dia amin’Atoa Ravalomanana ao Toamasina ireto tahaka ireo manerana ny nosy, dia nanana ny foto-kevitra nijoroany hatrany izy ireo dia ny tsy fanekena ny fanonganam-panjakana teto ary nametrahana ny tondrozotra izay tsy maintsy tanterahana hatramin’ny farany, ny fametrahana ny tany manaja ny lalàna, manaja ny demokrasia, ary manaja ny fahalalahana. Nomarihan’izy ireo anefa fa tsy ny fampodiana an-dRavalomanana ihany no takian’izy ireo, fa indrindra ny fametrahana ny vinam-piarahamonina mba tena hitondra fampandrosoana marina, fa tsy ho lany andro amin’ny fieboeboana sy manao mpitari-bato vilam-bava fotsiny…

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT