Politique

Marc Ravalomanana Horaisintsika an-tanana ny firenena


  • Talata 09 Oktobra 2018

Niainga tetsy amin’ny foiben-toerana na ny QG tetsy Bel’air Ampandrana ny propagandin’i Marc Ravalomanana, kandida laharana faha-25 omaly,

avy eo nihazo tsimoramora tamin’iny Ambohijatovo sy Analakely iny ary nipaka tamin’ny lalam-pirenena faha-4 miankandrefana iny satria nihazo an’i Mahajanga ny tenany. Tsotra sady mazava ny teniny tetsy Bel’air : efa azo tenenina amin’izao ilay hoe “Fidio”, ka dia fidio  ny laharana 25 dia i Marc Ravalomanana, fidio satria izy no hitondra ny fanovana, hitondra ny fampandrosoana, hitondra ny filaminana ary hanamboatra indray ny lalana, ka dia fidio ary fanentanana mivantana no ataoko, hoy izy. Manantena izy fa ho an’ireo vahoaka te hamerina indray ny fiainana amin’ny laoniny sy amin’ny ara-dalàna, dia hifidy azy. Matoa aho nilaza fa manana ilay manifesto, dia hanatanteraka an’ity io, ary tsy azo tanterahina amin’izao io raha tsy efa nifampidinika tamin’ireo mpiara-miombon’antoka sy mpiara-dia amintsika, hoy i Marc Ravalomanana. Manentana ny mpiara-dia sy ireo mahalala hoe ny soa ho an’ny firenena no hatao, ka i Marc Ravalomanana dia mpanangana, hanamboatra indray, hanarina indray ary matoky aho fa mino izany ianareo fa tsy mba mandrava mihitsy aho, hoy izy. Tena izay  mihitsy ary efa fantatra ny hanaovana azy. Ny mandrava sy mandoro tena mora sy haingana fa ny manangana tsy mora. Mampanantena kosa i Marc Ravalomanana fa hamerina amin’ny fiainan’ny Malagasy amin’ny laoniny. Fandaharanasa manangana, manorina ary manarina ny antsika mba iantefan'ny fampandrosoana maharitra amin'ny daholobe. Voalahatra amina tetikasa 10 ao anatin'ny Madagasikara amperin'asa (MAP2). Izao no fotoana. Raisintsika an-tanana ny momba antsika sy ny firenentsika. Fidio ny laharana 25, Marc Ravalomanana. Kandidanao, kandidan'ny Malagasy rehetra, hoy ny toromarika. Hiverenana hatrany fa isan’ny laharam-pahamehana azy ny fandriampahalemana amin'ny lafiny rehetra, famerenana sy ny fanamafisana ny lafiny fitsaboana, fanabeazana ho an'ny rehetra, fanatsarana ny fidiram-bola, fotodrafitrasa fototra sy maharitra isam-paritra, fitsinjarana sy fanapariaham-pahefana tena izy, famerenana ny fitokisan'ny vahoaka amin'ny mpitondra sy fanjakana tan-dalàna, fiarovana ny tontolo iainana sy ny harena voajanahary, fanomezan-danja ny soatoavina sy ny hambom-po Malagasy, fifandraisana tsara sy fiaraha-miasa matotra amin'ny any ivelany. Nisy ny olana teo amin’ny angidim-by saingy efa afaka nampiasa izany ankalalahana i Marc Ravalomanana omaly ka dia angidim-by efa misy ny soratra 25 no nitondra azy nihazo an’i Mahajanga omaly, ary 3 aloha no efa hitam-bahoaka hatreto. Hafana ny fihaonana sy ny fampielezan-kevitra hiarahana amin’ny vahoaka any amin’iny faritra Andrefan’ny Nosy iny, ary ho avy tsy ho ela ny an’ny faritra rehetra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT