Politique

Marc Ravalomanana Hody eny Faravohitra tsy ho ela !


  • Zoma 14 Novambra 2014

Nihaona tamin’ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana tany Antsiranana omaly antoandro ny iraky ny SADC tonga eto amintsika izay tarihan’Atoa David Mehlobo minisitry ny filaminana anatiny any Afrika Atsimo.

Hiverina eto Antananarivo ?

Raha ny fanambaran’ity farany tamin’ny resaka fohy nataony tamin’ny mpanao gazety tany Antsiranana dia salama tsara ary hita fa tena matanja-tsaina Atoa Ravalomanana ary tsy misy atahorana ny fiarovana azy sy ny momba ny ainy. Hanao tatitra any amin’ny lehibe naniraka anay izahay, hoy i David Mehlobo. Tsy nisy nipika moa ny resaka nifanaovan’ny roa tonta tao amin’ny Amirauté Antsiranana, saingy azo heverina fa misy ifandraisany amin’ny fampihavanam-pirenena sy ny fihaonana an-tampon’ireo filoha 5 nifandimby teto ny dinika. Tato anatin’ny herinandro izany izao dia delegasionina sy olona telo tonta samy manana ny maha izy azy no nihaona ary niresaka tamin’i Marc Ravalomanana tany Antsiranana, teo aloha Rtoa  Awa Ahmed Youssouf, solontenan’ny vaomieran’ny vondrona Afrikanina eto amintsika, taoriany dia ny filoham-pirenena Hery Rajaonarimampianina indray no niresaka tamin’ingahy Ravalomanana ary io omaly io dia ny delegasionin’ny SADC no nitafa sy nidinika taminy. Omaly dia efa nisy ny resaka nivoaka fa amin’ity herinandro ity no haverina eto an-drenivohitra ary hipetraka eny amin’ny tranony eny Faravohitra ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, taorian’ny fifandresen-dahatra sy fifampiresahana efa misimisy ihany natao hatramin’izay nanagadrana azy tany avaratra izay.

Fihaonan’ny 5 tonta

Andro vitsivitsy koa  izao dia efa nandeha be ny feo fa tsy maintsy hotanterahana ilay fihaonana eo amin’ny ireo filoha dimy mirahalahy dia Atoa isany Didier Ratsiraka, Albert Zafy, Marc Ravalomanana, Andry Rajoelina ary Hery Rajaonarimampianina. Ary tahaka ny nanamafy izany ny tenin’ny filohan’ny delegasionin’ny SADC David Mehlobo tany Antsiranana raha nilaza izy fa manohana sy manampy an’i Madagasikara amin’ny fotoan-tsarotra mba hikarohana ny vahaolana ny vondrona SADC. Mazava ny resaka fa mbola anaty krizy i Madagasikara ary misy ny fifampidinihana tsy maintsy hatao mba hikarohana ny vahaolana tena mahomby sy maharitra. Ankoatra an-dRavalomanana sy Rajaonarimampianina dia efa nihaona tamin’ny amiraly Didier Ratsiraka ihany koa ny iraky ny SADC, saika natao omaly hariva saingy tsy tanteraka ny fihaonana tamin’ny ankolafy Rajoelina satria tsy eto an-toerana Atoa Andry Nirina Rajoelina. Anisan’ny nifampidinika tamin’ny SADC ihany koa ny filohan’ny HCC Jean Eric Rakotoarisoa sy ny filohan’ny filankevitry ny fampihavanana  malagasy ny jeneraly Rabotoarison Sylvain, ary ireo depioten’ny ankolafy Ravalomanana. Tsy tongatonga ho azy na resaka kisendrasendra ireo karazana fihaonana ireo fa misy tanjona mazava.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT