Politique

Marc Ravalomanana “Hobataintsika ny fandresena”


  • Alarobia 05 Desambra 2018

Tanteraka tokoa ny teny fikasana dia ny hoe: “ary izaho momba anao ary hampody anao amin’ny taninao, ka tonga eto aho izao”, hoy i Marc Ravalomanana tamin’ny mpiara-mitolona rehetra nanao ny aina tsy ho zavatra, ireo izay nanantena ny fiaviany,

 

 

 tamin’ny 2009, 2010 hatramin’ny 2014 tao amin’ny Magro, ny rehetra izay niandry ity fifidianana ity tao anatin’ny 9 taona, ny vahoaka Malagasy manontolo. Faly aho tena faly ary misaotra an’Andriamanitra, ka ho azy ny voninahitra fa hobataintsika kosa ny fahendrena, hoy izy. Tsy maintsy manana finoana ,… mila manana fanantenana fa handresy ka minoa fotsiny ihany ary miasà, raiso ny andraikitra fa aza mitamatama, hoy ny toromarika. Ianareo vonona fa izaho ihany koa efa niandry hatry ny ela ity fifidianana ity. I Madagasikara sy ny vahoaka Malagasy no nipoirako, zanaka tantsaha aho, kanefa nahatafatsangana indostria fanodinana sakafo ary niroborobo fatratra ny asam-barotra nataoko. Niezaka mafy aho, ka lasa ben’ny tanànan’Antananarivo sy filohan’ny Repoblikan’i Madagasikara nandritra ny 7 taona. Izaho no filoha farany nahavita nampihinam-bary ny vahoaka Malagasy isan-tokantrano, nanangana sekoly, hopitaly, nahavita ny lalana mampitohy an’Antsiranana sy Antananarivo, Sambava sy Antalaha,… izay mahatratra 9200km, izany hoe 1000km mahery isan-taona, hoy izy. Betsaka ny asa vitantsika, nitondra fahamarinan-toerana ary  nisarika mpamatsy vola isika. Betsaka ny fahalalana sy ny lesona noraisina fony noterena ho sesitany tany Afrika Atsimo, ka azo antoka fa filoha matanjaka sy vita fisedrana aho ankehitriny, hoy ny fanomezan-tokiny. Ary matahotra an’Andriamanitra ihany koa fa izany no voaloham-pahendrena. “Hiverina amin’izany toeran’ny filoha izany indray aho atsy ho atsy, koa aza matahotra ianareo fa minoa fotsiny”. Ny mpifanandrina amiko ankehitriny no nanongana ahy tamin’izany fotoana izany, dia ny volana martsa 2009, ka tsy hoekentsika mihitsy ny hanana mpitondra mampizarazara ny firenena sy mampiditra ny ady an-trano eto Madagasikara. « Ny maizina miady amin’ny mazava, ny mpanongana mifaninana amin’ny naongana ary ny ratsy miady amin’ny tsara no hifanandrina amin’ity fihodinana faharoa ity »,  hoy ny kandidà Marc Ravalomanana. Tsy ekentsika ny mpitarika tsy mieritreritra afa tsy ny tenany, ka tsy manao afa tsy izay handrobana amin’ny fomba rehetra handrobana ny fananan’ny Malagasy sy hampahantrana azy. Tsy ekentsika ny hananana mpitondra tsy hananan’ny vahoaka fitokisana, ka mahatonga ny vahoaka hijaly sy hiharan’ny sazy tahaka ny 2009-2013. Vita fisedrana ary hita fa tsy matahotra na mierikerika, ary mametraka an’i Jesoa Kristy ho kapiteny ary hitondra filaminana sy fandriampahalemana eto amin’ity firenena malalantsika ity, hoy izy. “Vonona amin’ny fampihavanam-pirenena rahateo ny tenako” ary porofon’izany ny tsy maintsy hametrahana amin’ny tena antony ny fitsinjaram-pahahefana antoky ny demokrasia hany antoka hisian’ny fampivondronana ny samy Malagasy.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT