Tsy azo kosehina ny tantara fa nanongam-panjakana i Andry Rajoelina tamin’ny 2009, ary mikofokofoka mafy ny mba ho lany amin’ny fomba demokratika satria henatra ho azy sy tiany hokosehina mafy ny fiantsoana azy hoe :
“Putschiste” na mpanogam-panjakana. Ho afa-baraka tanteraka eo raha mandresy sy tafaverina ho filoham-pirenena i Marc Ravalomanana, izay izy no nanongana azy. Raha ny lojikam-pifidianana anefa, tsara toerana sy manana ny herijika betsaka indrindra i Marc Ravalomanana. Hiverina aminy ny vato azon’i Jean Louis Robinson tamin’ny 2013 satria ny TIM no tena nandrotsa-bato ho an’ity farany tamin’izany. Azo antoka ny mety hahalasanany ny 98% farafahakeliny. Hitombo aza ny mpifidy azy satria nisy ireo mpanohana an’i Marc Ravalomanana sasany tsy nifidy an’i Jean Louis Robinson satria tsy azoazon’izy ireo ity kandida notohanan’ny TIM ity. I Marc Ravalomanana tenany mihitsy kosa no kandida amin’ity, fa tsy manolotra olona, ary afaka manao propagandy fa tsy any Afrika Atsimo intsony akory. Tsara ny mampahatsiahy fa 46,51% sy ny 53,49% ny vato azon’i Jean Louis Robinson sy Hery Rajaonarimampianina tamin’izany. Nikofokofoka mafy i Andry Rajoelina nampandany ny filoha ankehitriny, saingy io izany no vokatra tsara indrindra ho azy na dia izy aza no teo amin’ny fahefana. Nandrotsaka depiote 150 tany ho any ny MAPAR, saingy 49 monja no lany, ary ny sasany tamin’ireo aza dia fikambanana efa natanjaka fa niara-dia tamin’ny MAPAR fotsiny, fa ho azy ireo, dia 10 teo no voalaza fa tena niantehitra sy nisarangotra tamin-dRajoelina sy lany tamin’ny anarany, raha ny nambaran’ny depiote teo aloha iray efa nisintaka tamin’izy ireo. Tsy miara-dalana intsony ny HVM sy ny MAPAR, izay hizara ny vato satria efa nisy no voataizan’ny HVM, ary ao ny mety hiverina amin-dRajoelina. Manao sehoseho ivelany ilazana fa mahazo olona izany mba hahafaha-mikorontana rehefa tsy lany ?
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.