Raha ny vaovao farany re miampy ny fanadihadian’ireo mpikirakira politika efa ho herinandro izao dia hanatrika ny fianianan’ny filoha vaovao Andry Rajoelina eny Mahamasina anio Atoa Marc Ravalomanana izay mpifaninana taminy nandritra ny fihodinana faharoa.
Tohin’ny lojikan’ilay fanatrehany ny voka-pifidianana ofisialin’ny fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana (HCC) ny 8 janoary lasa teo io. Izy rahateo efa niarahaba ny filoha vaovao. Fihetsika heverina fa mendrika io hataon’i Marc Ravalomanana anio io satria manaporofo ny tena maha olon’Andriamanitra sy maha olom-panjakana ary ny maha demokraty azy. Iarahan’ny rehetra mahafantatra tsara mantsy ny zava-nitranga teto ny taona 2009, ny fifanolanana teo amin’ny filohan’ny tetezamita tamin’izany fotoana sy Atoa Ravalomanana izay voatery nanao sesitany ny tenany niaraka tamin’ny fianakaviany tany Afrika Atsimo. Amin’izao 2019 izao, efa hita ho sempotra ny firenena, sahirana ny Malagasy, tena anisan’ireo firenena tratra aoriana, indrindra amin’ny resaka fampandrosoana na ara-toekarena na amin’ny lafiny maha olona i Madagasikara. Efa nanambara ombieny i Dada fa ny andro sisa iainany dia hatokany amin’ny fanasoavana ny firenena, noporofoiny ary mbola hoporofoiny izany. Etsy an-kilan’izay, mandeha ny resaka amin’izao fotoana fa mety hiditra lalina kokoa amin’ny asana mpanelanelana Atoa Ravalomanana. Izany hoe mpandamina sy mpikaroka vahaolana rehefa misy ny firenena mandalo krizy, tahaka ny nataon’ny SADC sy ny vondrona Afrikanina teto Madagasikara nandritra ireny fitondrana tetezamita ireny. Asa izay voafehiny tsara noho izy manana fahaizana manokana amin’ny resaka fandraharahana, tsy hoe vao tamin’ny naha filoha azy ihany fa efa hatrizay raha nanangana ny Tiko sy nikaroka famatsiam-bola izy. Mazava be ihany koa fa nisy fifampiraharahana goavam-be tao ambadiky ny nahafahany nody an-tanindrazana indray tamin’ny taona 2014. Na aty Afrika na any Eoropa na any Azia na any Amerika dia manana anjara toerana goavana foana io resaka fandaminana sy fifampiraharahana io satria na inona na inona tsy fifankahazoana sy ady mitranga na firy vola na firy taona faharetany dia tsy maintsy resaka ambony latabatra no hamoahana ny marimaritra iraisana sy ny vahaolana amin’ny farany. I Marc Ravalomanana rahateo dia anisan’ireo Afrikanina to teny eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena ary inoan’ny vahiny teny ary azo antoka fa tsy hipetra-potsiny ao an-tranony izy fa tena mbola hiasa ho an’ny tombontsoa iombonana na ho an’ny Malagasy io na ho an’ny Kaontinanta afrikanina mihitsy aza.
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.