Raha misy olona mendri-piderana amin’ny fahendrena nasehony angamba eto dia tsy misy tahaka an’i Marc Ravalomanana.
Maro ny latsa-dranomaso sy tsy nahatana ny fihetseham-pony nahita ny fahatsoran’ity Raiamandrenin’ny firenena nahavita be ity nandefitra nanana ny rariny tamin’ny valim-pifidianana teo, ka nanaiky am-pahatsorana ny didin’ny HCC fa i Andry Rajoelina no voafidy ho filoham-pirenena. Azo iadian-kevitra ny fomba nahalaniany sy nahatongavany eo amin’io toerana io, ary taty amin’i Marc Ravalomanana ny fanalahidin’ny fahafahany mipetraka eo am-pilaminana. Olon-kendry sy tsy tia korontana i Marc Ravalomanana, ary efa teny fanaony matetika ny hoe : tsy mba izy no hipetraka ho olana fa kosa ho vahaolana hatrany ho an’ny firenena. Mety misy ampahany amin’ireo mpanara-dia no kivy tamin’ny fanapahan-kevitra noraisiny, saingy izay no maha olon’ny fihavanana sy ny fitiavan-tanindrazana azy. Nitsodrano ny filoha voalaza fa lany no nataony, ary nampahery ny rehetra mpiara-dia aminy sy ny Malagasy manontolo hitraka hatrany. Mazava ny tarigetra hatramin’izay ho an’i Marc Ravalomanana dia ny fikatsahana ny soa ho an’ny vahoaka sy ny firenena ary teny efa nataony ny hoe: “ny andro sisa iainako dia hataoko hanasoavana ny firenena”, ka na eo amin’ny toeran’ny filoha izy na tsia dia tsy mahasakana azy hanasoa ny firenena sy ny mpiara-belona izany. Nahavita dingana lehibe amin’ny fampanjakana ny demokrasia ny tenany, ary mipetraka hatrany ny maha mpitarika sy mpitondra mahay azy satria afaka nitaiza sy nampitony ny vahoaka mpiara-dia na hita izao aza fa misy ny tsy rariny. Nodorana ny fananany, naongana natao sesitany 5 taona izy nanomboka 2009, noresena tamin’ny fomba maloto tamin’ny fifidianana teo, fa mbola mijoro izy, ka lesona azon’ny vahoaka raisina izany hoe mila mijoro na inona na inona miseho. Tsy mba olon’ny valifaty izy fa tena tia fihavanana kanefa etsy an-kilany, mandeha ny eson-tenin’ny ekipan-dRajoelina: “Mba tsy hisy fivadihana indray anie afaka fotoana vitsy fa tena ho izay tokoa. Bonne rétraite Mr le Président Marc Ravalomanana”, hoy ny mpanao gazety iray akaiky an-dRajoelina. Maro amin’ny olom-pirenena no manameloka tanteraka ny fiteny tsy voahevitra sy karazana fihantsiana na fanesoana tahaka ireny. Tsy mbola nilaza ny hisotro ronono velively i Marc Ravalomanana, saingy izay izany no fanirian’ny sasany satria toe-tsaina toa mirefarefa tanteraka amin’ny tany no enti-miaina ny raharaham-pirenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.