Politique

Marc Ravalomanana “Ho azontsika ny fandresena…”


  • Alakamisy 18 Oktobra 2018

Mafonja ny fientanam-pon’ny vahoaka hatrany amin’ny toerana faran’izay lavitra amin’ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana. Mahita ny zavatra iainan’ny olona izy satria efa tamin’ny propagandy 2001 no nidina tamina toerana maro tena lavitra andriana araka ny fomba fiteny, ary nitohy fony izy teo amin’ny fitondrana izy.

 

 

Fahadisoan-kevitra tanteraka ilay sehoseho ivelany amin’ny famoriam-bahoaka an-tanàn-dehibe, ary tsy adala ny Malagasy milaza hoe miakatra ny vaton’ny ambanivohitra rehefa any anaty fanangonana voka-pifidianana. Mbola tombony lehibe ho an’i Marc Ravalomanana io satria na an-tanàn-dehibe na ambanivohitra, dia hainy ny mifandray amin’ny vahoaka ary resiny lahatra. Tsy misy sehoseho ivelany sy hetsika mipoapoaka toy ny fitondrana artista maro be na koa fizaram-bola. Tany amin’iny ilany Atsimon’ny nosy iny no nanaovany fampielezan-kevitra tao anatin’ny roa andro dia ny talata sy omaly alarobia, ka nakotroka sy nafana ny fandraisana azy tao Toliara. Tsapako fa maniry fampandrosoana ianareo, hoy izy, ary tsy ho very anjara. Nahafinaritra ahy ny nitafatafa taminareo teto Ejeda. Fidio i Dada fa hamerina ny fandriampahalemana, hamerina ny rafitra fitsaboana, hamerina ny tetikasa fampianarana, hampitombo ny fidiram-bola, hanangana indray fotodrafitrasa, hoy izy. Tany Bekily, dia Ravalomanana ihany no anay aty Bekily fa tsy misy ankoatra izay, hoy ny vahoaka, izay nandray azy tamin-kafaliam-po tanteraka. Omaly dia anisan’ny notsidihiny ny tao Jagany, Betroka, Ilakaka, Ihosy, Sahasinaka… ka nafana ny fitsenana sy ny fandraisana. Tao Sahasinaka, dia tonga ny fifidianana ary efa ela no niandrasantsika ity, ka mahatoky ny vahoakan’i Sahasinaka i Marc Ravalomanana. Ny zavatra ataontsika rehefa lany eo i Dada, dia ampianarintsika maimaimpoana ny ankizy ary homena “blouse” sy “kits scolaires” mitovy Efa natao izany ary vita. Ankoatra izay dia hamboariko ny lalana mankaty Sahasinaka ho vita tsara daholo. Mazava ny toromarika dia ny fandresena, ary  “ho azontsika io fa aza matahotra, ary minoa fotsiny ihany”, hoy izy mantsy ny vahoaka feno fanantenana. Tonga tampotampoka tany Ilakaka izy noho ny fangatahan’ny vahoaka sy ny fitiavany azy. Tonga aty Ilakaka hanao propagandy aho ary hamonjy anareo, hanampy anareo, ka hamboarin’i Dada ny jiro, hampidirina ihany koa ny rano. Fantatro fa misy mitady handoto ny ranonareo, ka ataontsika izay hampadio azy, ary izay olona mikitikitika anareo aty ataon’i Dada mahamay fa aza matahotra ianareo. Ny resaka orinasa Gondwana no noventesin’ny mponina. Te hihaino sy hahita anareo aho, fa tsy izay mahafaly no ataontsika fa izay mahasoa ny firenena, hoy izy. Ny tena maika dia adino foana ny any Ilakaka tamin’ny resaka jiro, ka hasiana Jiro any an-toerana. Eo ihany koa ny fanatsarana ny fanomezana rano fisotro madio ho an’ny mponina.  

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT