Tsy dia re feo firy tao anatin’ny fotoana elaela ny kandida faha-25 Marc Ravalomanana. Niatrika ny lanonana fiarahabana noho ny fahatrarana ny taona 2019 teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha ny tenany omaly.
Tena faly aho tonga eto afaka nanatrika sy namaly ny fanasan’ny Filoham-panjakana mpisolo toerana Rivo Rakotovao, ary mahatoky aho fa hitondra soa sy fanambinana ho antsika ity taona ity, hoy izy. Minoa ianareo ahy fa tsy maintsy hivoaka foana ny marina, ary ny marina marina foanay manoloana ny hamoahan’ny HCC ny voka-pifidianana ofisialy anio. Efa miantsoantso sy midradradradra ny hivoahan’ny marina daholo ny olona rehetra hatramin’ny filoham-piangonana, olon-tsotra, firaisamonim-pirenena sivily … Mahatoky sy mino aho fa dia hitsara amin’ny fitsarana marina tokoa ireo HCC ireo. Tena mahatoky sy mino aho, ka dia miandry am-pitoniana ny voka-pifidianana rahampitso isika, hoy izy mantsy ny omaly. Raha nanontaniana momba ny hanatrehany na tsia ny fanambarana ofisialy eny amin’ny HCC Ambohidahy anio, dia ho any aho, hoy ny valin-teniny. Momba ny fanekena na tsia ny valim-pifidianana, dia ny marina no tadiaviko ary tsy misy firenena azo hatsangana mihitsy eto ambonin’ny tany raha tsy mijoro amin’ny fahamarinana satria raha ohatra ka amin’ny hosoka sy amin’ny lainga ary ny zavatra tsy marina no hitondrana ny firenena dia tsy haharitra mihitsy ny firenena, hoy izy. Nambarany fa ny soa iombonan’ny Malagasy no iaraha-mitady fa tsy ny azy irery akory. Raha tsy mifanaraka amin’ny marina aminy ny marina ambaran’ny HCC, dia tsy misy an’izany hoe: “marina ho ahy na marina ho anao, fa ny marina marina foana”, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Nanamafy izy fa ny firaisamonim-pirenena, ny sehatra iraisam-pirenena dia samy nanamarina daholo fa nisy tokoa ny tsy fetezana, ohatra iray amin’izany ny bileta tokana tokony ho nampiana “numéro de series” kanefa tsy nisy. Faharoa ny taham-pifidianana nihoatra ny 100%. Fahatelo ny famadihana ny isam-bato azon’ny kandida, ka izany ve dia marina ? Manaja tsara ny lalàmpanorenana aho ary efa nitondra nandritra ny 7 taona ka fantatro tsara fa ny lalàmpanorenana io ihany no hahafahantsika mijoro ary tsy maintsy mampiseho ho maodely aho eo anatrehan’ny hafa. Notsiahiviny fa nihaona tamin’ny Vondrona Iraisam-pirenena ny 31 desambra, ka tao anatin’izany no nilazany hoe: mahatokisa ianareo ahy fa ireo olona izay nahatsiaro fa voahitsakitsaka ny safidiny dia tsy tantiny ilay izy, ary izay no maha demokrasia ny demokrasia, araka ny fanehoan-keviny. Hanaiky ny voka-pifidianana aho raha ohatra ka tena mandeha amin’ny fahamarinana tsara ny fanapahan-kevitra, ary mahatoky tena mahatoky ny HCC aho. Olona mivavaka rahateo ireo, ary mahalala ny tokony hatao. Notsindriany mafy hatrany fa tsy hisy firenena vanona eto raha ohatra ka amina hosoka na amina na zavatra tsy ara-dalàna no mitranga eto.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.