Politique

Marc Ravalomanana Ho avy amin’ny angady sy ny harona


  • Sabotsy 18 Aogositra 2018

Fotoan-dehibe ho an’ny antoko Tiako I Madagasikara anio satria hotanterahana manomboka amin’ny 2 ora tolakandro any Toamasina ny famaranana ny fankalazana ny faha-15 taona nijoroany.eny amin’ny Bord de la Mer manakaiky ny Auximad no hanatanterahana ny lanonana.

 

Hanatrika izany Atoa Marc Ravalomanana mivady sy ireo lohandohan’ny mpisorona ao amin’ity antoko ity, hotronin’ireo mpikambana TIM sy ny olona maro tsy an-kanavaka izay efa tena mangetaheta ny tena fanovana hoentin’i Dada. Tsy tambo isaina ireo antsoantso marobe avy amin’ny vondron’olona, antoko sy fikambanana ary ny mpiray tanindrazana avy amin’ny lafivalon’ny nosy, eny fa na hatrany ivelany (Afrika, eoropa, Etazonia…) ny amin’ny hirotsahan’i Marc Ravalomanana hofidiana filoham-pirenena indray. Nohamafisiny ny alakamisy teo raha nitafa mivantana tamin’ireo mponin’i Toamasina niresaka aminy teny an-dalambe rehetra teny fa efa eto izy ary ho avy amin’ny angady sy ny harona. Mahatoky anareo aho amin’ny fanohanana sy ny fiaraha-miasa, hoy i Dada. Maro tokoa ireo kandida filoham-pirenena ary samy milaza fa manana programan’asa mety, saingy efa samy mahita sy mahatsapa ny maro fa i Marc Ravalomanana aloha amin’izao no tsara toerana indrindra hahavita ny fanarenana ara-toekarena, hanohy ny fampihavanam-pirenena sy handamina ny fitantanan-draharaham-panjakana. Tsy zoviana amin’ny rehetra intsony ny faharanitan-tsainy sy ny fahakingany amin’ny fikaroham-bahaolana. Efa nasehony teto io, porofo tsy afaka am-po sy an-tsain’ny maro ny fanamboaran-dalana, ny fanomezana kit scolaire ho an’ny mpianatra sy ny fampianarana maimaimpoana niampy cantine scolaire ho an’ny ambaratonga fototra, ny fanomezana fanampiana ara-pitaovana ho an’ireo reny rehetra miteraka eny amin’ny hopitalim-panjakana, ary ny fifehezana ny fandriampahalemana. Tsy mbola nisy filoham-pirenena nitantana an’i Madagasikara nahazo famatsiam-bola betsaka noho Ravalomanana teto. Ary ny rafitra napetrany toy ny Bianco, Samifin, EDBM…dia mbola miasa tsara hatramin’izao satria hita fa tena ilaina amin’ny fampandrosoana ny firenena. Misy foana ny zavatra na fomba fiasa tsy maintsy hohatsaraina. Efa vonona aho matoa niverina teto Madagasikara fa tsy nijanona tany ivelany, hoy i Marc Ravalomanana ary atokako hanasoavana ny firenena ny andro sisa rehetra iainako. Farany kanefa tsy bitika dia hitam-poko hitam-pirenena fa olon’ny fifampiresahana i Dadavalo ary tena niezaka nanatona sy nifanakalo hevitra tamin’ireo nambara fa mpifahavalo politika taminy, eny fa na dia ny olona nanongana azy teo amin’ny fitondrana aza. Efa vonona tanteraka ny antontan-taratasy rehetra filatsahan-kofidian’i Marc Ravalomanana ary haterina ara-potoana eny amin’ny HCC Ambohidahy.


RTT

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

Hijery ny tohiny
FTT