Politique

Marc Ravalomanana Ho afaka tanteraka tsy ho ela


  • Alakamisy 30 Aprily 2015

Voaresaka matetika hatramin’ny nahatongavany teto an-tanindrazana tamin’ny oktobra 2014 Atoa Marc Ravalomanana. Raha vao misy olona miresaka politika dia tsy maintsy tafiditra ao anatin’izany ity filoha teo aloha ity. Raha nisy ny fifaninanana mpanao politika malaza dia azo antoka fa norombahany ny laharana

 

voalohany satria dia tena malaza tokoa izy ary tsy afaka am-bavan’ny maro ny anarany sy ny zava-bitany. Efa mandeha ny tombantombana ankehitriny fa ho afaka tsy ho ela ka hisitraka ny zony amin’ny maha olom-pirenena sy mpanao politika azy ity filoha teo aloha ity.

Misongadina

Tsy iadian-kevitra intsony ankehitriny fa malaza kokoa noho ny filoham-pirenena am-perinasa Hery Rajaonarimampianina ingahy Ravalomanana ary misongadina kokoa raha oharina amin’ireo filoha hafa nifandimby teto (Didier Ratsiraka, Zafy Albert, Andry Rajoelina). Tsy nisahirana nanagadra azy sy manara-maso akaiky azy ny fitondram-panjakana raha toa ka olona tsy dia misy lanjany i Marc Ravalomanana, ary tsy nampaninona raha naneho ny heviny sy ny fomba fijeriny izy raha azo antoka fa tsy ho be mpanaraka intsony. Te hiara-kiasa aminy ny fitondram-panjakana fa manahy sy matahotra ihany koa sao… Maro anefa ny mahita fa efa tafiditra anaty vela-pandrika sarotra ivoahana ny fitondrana Rajaonarimampianina ankehitriny izay nanaiky hizara ny fahefana teo am-pelatanany tamina ankolafy politika hafa. Nanaiky na tsy afa-nanohitra ny fiverenan’i Dada, kanefa miketrika ny fomba hifehezana azy ihany avy eo. Na hamela malalaka an’i Marc Ravalomanana hanao politika anefa na hanagadra azy ny fitondram-panjakana dia efa naman’ny resy foana satria efa tsy ao an-damosiny intsony ny vahoaka maro an’isa.

Mpandresy

Mandresy amin’ny lafiny rehetra noho izany i Marc Ravalomanana satria tafaverina eto Madagasikara, tsy maintsy hiverina ho olona afaka tanteraka atsy ho atsy, hamelona indray ny Tiko orinasa izay mampiasa Malagasy an’arivony ary tombanan’ny maro fa mbola tsara toerana hiverina indray eo amin’ny fitondrana noho izy manana paikady sy fandaharanasa maharesy lahatra kokoa no sady azo tanterahana tsara ao anatina fe-potoana mazava tsara. Ankoatra izay, tombony goavana ho an’ity filoham-pirenena teo aloha ity ny fahaizany sy ny fifehezany ny resaka serasera sy ny fifandraisana aman’olona ary ny fananany talenta manokana amin’ny fitarihana (leadership) izay eken’ny rehetra fa tena matanjaka tokoa. Mbola tombony goavana ananany koa ny fahaizany miresaka amin’ireo mpamatsy vola avy any ivelany sy ny fikambanana iraisam-pirenena goavana. Tsy ny olon-drehetra no mbola tafajoro tahaka an’i Marc Ravalomanana amin’izao fotoana taorian’ny fiezahana nanapotika azy tamin’ny 2009 ireny.


 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT