Nangiana tanteraka tsy nandrenesam-peo ireo filoha teo aloha taorian’ny fihaonana fahafito notanterahana teny amin’ny CCI Ivato ny talata 27 janoary lasa teo. Efa nifanarahana hatrany am-boalohany moa fa ny FFKM irery ihany no miresaka na mampita vaovao momba ny fihaonan’ireo filoha 5 sy ny fampihavanam-pirenena koa dia izay no mahatonga ny fahanginan’ireo filoha. Tsy maneho hevitra politika ihany koa izy ireo saingy azo antoka fa efa manomana ny paikady enti-miatrika ny fifidianana ho avy…
Mandray olona isan’andro
Ho an’Atoa Marc Ravalomanana manokana dia eto Antananarivo izy ary mihaona tsy tapaka amin’ireo mpiara-dia aminy eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra. Ireo ao anatina fikambanana sy antoko politika mandrafitra ny ankolafy Ravalomanana hatreto no fantatra fa afaka nihaona tamin’ity filoha teo aloha ity. Tsy misy moa ny hoe fampitam-baovao ofisialy saingy tsiliantsofina no nahafantarana fa mandinika ny fanatsarana ny fomba fiasa ao anatin’ny ankolafy Ravalomanana izy ireo no sady efa miketrika sahady ny ho fiatrehana ny fifidianana ben’ny tanàna amin’ny volana jolay.
Paikady vaovao ?
Ankolafy goavana, manana ny maha izy azy, mahenika an’i Madagasikara ny ankolafy Ravalomanana, manana olona mahavita azy mety amin’ny rafi-pitantanana ny raharaham-panjakana rehetra. Tsy maintsy apetraka mazava anefa ny fifandaminana sy ny fitsipika ifampifehezana mba hampirindra ny asa. Amin’izao fotoana mantsy vao tena afaka mihaona mivantana sy miresaka amin’ny fianakaviana politikany Atoa Marc Ravalomanana, ka tsy atao mahagaga ny fanitsiana sy fanovana. Iaraha-mahafantatra fa olona manana ny maha izy azy amin’ny resaka fitantanana sy fitarihana ny tenany ary tsy tia zavatra mikorontana na misavorovoro. Izy izay mahafantatra tsara fa tsy maintsy misy ihany ny fifandirana sy ny ady toerana ho lohany ao amina fikambanana na antoko. Araka ny fiteniny mahazatra anefa dia : “matoa misy ny olana dia misy izay ny vahaolana”. Koa heverina noho izany fa am-perinasa tanteraka mamolavola ireo paikady hampiasaina hiatrehana ny tontolo politika sy ny toe-draharaham-pirenena i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-dia aminy, ary handray anjara mavitrika amin’ny fifidianana manaraka rehetra ho avy eo.
Sary:Marc Ravalomanana, tsy maintsy mahita vahaolana foana !
RTT
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.