Politique

Marc Ravalomanana Hitantana ho amin’ny ho avy mamiratra


  • Alakamisy 20 Septambra 2018

Samy milaza azy ho zavatra ny kandida rehetra amin’ny fifidianana ho filoham-pirenena eo.

 

 

 Miezaka mandresy lahatra fa manana ny fahaiza-manao rehetra hahafahana mitondra ny firenena, izay tsy hifanomezan-tsiny fa ny Malagasy kosa no mila manokatra ny masony sy ny sainy eo anatrehan’ny zavatra ambaran’ny kandida tsirairay avy. Maro ny zavatra takiana amin’izay tokony ho filoham-pirenena eo, ny fanarenana haingana taorian’ny fahapotehana niantomboka tamin’ny taona 2009, ny fahafehezana ny fifandraisana amin’ny mpamatsy vola satria tsy afa-miala amin’izay isika hatreto, ny fahazakana vahoaka sy fanjakana, indrindra ny fitiavan-tanindrazana ... I Marc Ravalomanana hatreto no mahafeno izany. Haingam-piasa tamin’ny fanarenana ny firenena, porofo mivaingana ny taorian’ny krizy 2002, izay vetivety monja dia tafaverina tamin’ny fiainany andavanandro ny vahoaka ary afaka nanao zavatra maro ho an’ny firenena tao anatin’ny fotoana fohy monja i Marc Ravalomanana. Manga ny lanitra tamin’ny fifandraisana tamin’ny mpamatsy vola, hany ka nandeha ny fanamboaran-dalana, ny fananganana sekoly, ny fampidirana rano fisotro. Nipetrapetraka ny politikam-pampandrosoana tamin’ny alalan’ny MAP, izay firenena maromaro taty Afrika no nampihatra azy iny. Raha fahazakana vahoaka, dia tsy takona hafenina fa tena babon-dRavalomanana ny ankamaroan’ny Malagasy, ary mampanantena ny Malagasy fa hitantana an’i Madagasikara ho amin’ny ho avy mamiratra Ravalomanana. Tadiavin’ny olona izy satria fantany ny traikefany, tsapany ny fitiavan-tanindrazana nananan-dRavalomanana, izay tsy mikoso-maso eo anatrehan’ny fiarovana ny fiandrianam-pirenena. Vao mainka nampiakatra io taham-panohanana azy io ny fahatsapan’ny vahoaka hirifiry taorian’ny nionganany. Raha fitiavan-tanindrazana no resahina, dia hentitra sy sarotiny izy. Tsaroana tsara ny nahasahiany nandroaka ny masoivoho Frantsay Gildas Le Lidec ny taona 2008, rehefa nanao tsinontsinona ny fiandrianam-pirenena Malagasy. Tsy misomonga i Marc Ravalomanana raha vao vahiny no misompatra ny Malagasy mpiray tanindrazana aminy, ary mbola haverimberiny matetika io amin’izao fotoana izao. Tsy manangan’ady fa kosa mahay mametraka ny tombontsoam-pirenena ho lohalaharana, ary amin’ny fiaraha-miasa dia mila mazava ny tombontsoan’ny Malagasy fa tsy sanatria hamarotra tanindrazana.

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT