Politique

Marc Ravalomanana Hipoka Imerintsiatosika


  • Alakamisy 06 Septambra 2018

Tsapako ny fijaliana sy ny fangirifiriana nianjady tamin'ny tontolo ambanivohitra.

 

 

 Tsy maintsy hajaina ny hasin'ny maha olona. Kandidan’ny vahoaka Malagasy aho, ka hanao izay fahazaiko rehetra ary hampiasa ny hakingako hahafahako mampandroso ny firenena Malagasy, hoy i Marc Ravalomanana tamin’ny vahoakan’Imerintsiatosika omaly. Hahatonga ny olona rehetra hisakafo, ho salama ka ho afaka hiasa sy hamokatra ary hanana asa. Naneho ny alahelony ny mponina tamin’ny habibiana nitranga tao izay namonoana olona telo mianaka. Ny anton’ireny tranga ireny dia ny fialonana, fandraisana zava-mahadomelina, tsy fandriampahalemana amin’ny ankapobeny, hoy i Marc Ravalomanana. Tsy maintsy homena hasina ny maha olona na inona na inona toerana misy azy eo amin’ny fiarahamonina. Tsy maintsy haverina ny fitsinjaram-pahefana, ka ho olona mamim-bahoaka no ho lany manomboka hatrany amin’ny fokontany, hoy hatrany i Marc Ravalomanana. Araka izany dia hampiana ny olomboafidy ka homena fahefana sy fitaovana mandrafitra tetikasa, manatanteraka ny asa mifanadrify amin’izany. Nohamafisin’ny Ben’ny tanànan’Arivonimamo II, Rabearivelo Armand fa mijaly ny kaominina eo amin’ny resaka fanampiana na subvention omen any firaisana. Nizarana « moto » ny Ben’ny tanàna tamin’ny fitondran’i Dada kanefa amin’izao izay mitovy hevitra amin’ny mpitondra ihany no mahazo. Mijaly koa ny vahoaka noho ny tsy fandriampahalemana, ny fibodoana ny taniny ataon’ny vahiny toy ny any Soamahamanina, ny haratsian’ny lalana, ny firaisana trano amin’ny biby fiompy satria raha vao avela any ivelany dia lasan’ny jiolahy. Notsindrian’i Marc Ravalomanana fa tsy maintsy hovaina ny toetsaina, tsy maintsy mandroso sy miara-miasa, tsy maintsy mifampita vaovao momba ny olana rehetra ka anjaran’i Dada no mitady ny vahaolana. Tsy maintsy vahana ny olan’ny mpampianatra ka homena ny fitaovana ilainy izy ireo hahafahany manabe ny ankizy Malagasy izay beazina ho taranaka vanona, tsy maintsy hampiakarina ny sandam-bola malagasy satria sahirana ny vahoaka amin’ny fampiasana ny vola roa alina (20 000 Ar), hoy izy. Nanafoana ny trosan’i Madagasikara i Marc Ravalimanana tamin’ny taona 2005 kanefa amin’izao fotoana, ny trosa no betsaka noho ny eo an-tanana, saingy mbola eo izy hitondra ny traikefa sy fahaiza-manao hanarenana indray an’i Madagasikara.

 

Toky R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT