Politique

Marc Ravalomanana Hihaona amin’ny Vondrona Eoropeanina


  • Alatsinainy 23 Martsa 2015

Misy tokoa ny fiaraha-miasa amin’ny mpitondra ankehitriny sy ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana raha ny nambarany, satria dia tsy mitsahatra ny manoro hevitra ny Filoha Hery Rajaonarimampianina ny tenany amin’ny tokony hitadiavana vahaolana maharitra ho fanatsarana ny sosialim-bahoaka.

 

Mitohy hatrany koa raha ny nambarany ny fifampiresahana aminy sy ireo masoivoho vahiny monina sy miasa eto amintsika amin’ny fandresena lahatra azy ireo hanampy ny vahoaka Malagasy amin’izao fahoriana mianjady aminy izao. Noraisiny ohatra amin’izany ny fihaonany nandritra ny roa ora tamin’ny ambasadaoron’i Etazonia, sy ny mbola ho fihaonany amin’ny solontenan’ny Vondrona Eoropeanina eto amintsika rahampitso talata raha tsy misy ny fiovana. Nohamafisiny nandritra ity fihaonana ity ihany koa fa efa vonona tanteraka ny antoko TIM handray anjara amin’izay fifidianana rehetra hisy eto amin’ny firenena. Tsy maintsy mitraka ny antoko ary tsy maintsy ho mpandresy na dia teo aza ireny zava-nitranga nanjo ny antoko tamin’ny taona 2009 ireny, hoy ihany ny Filoha teo aloha Marc Ravalomanana tamin’ireo mpikambana Tim vory marobe teny amin’ny trano fonenany.

 

Ampy izay ny korontana

Ampy izay ny fidinana an-dalambe mety hiteraka korontana. Tsy mendrika an’ity firenena efa tena fadiranovana ity intsony ny korontana, indrindra fa ny vahoaka ao aminy, hoy ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana ny sabotsy maraina lasa teo nandritra ny tafa nifanaovany tamin’ireo mpikambana sy ireo fikambanana mitovy tarigetra amin’ny antoko Tiako i Madagasikara teny Faravohitra. Tsy tokony hosarihin’izay mikasa ny hanao izany ny vahoaka, satria fotoana izao hamerenana ny fifampitokisana, ny fifanampiana, ny filaminana ary ny fanantenana eto amin’ny firenena izao vaninandro sarotra lalovany izao.

Fotoana indrindra koa io nanamafisan’ity filoha teo aloha ity fa mizotra araka ny tokony ho izy ny fampihavanam-pirenena tarihin’ny Ffkm, na dia eo aza ny fanemorana ny fihaonambem-pirenena vokatry ny hamehana tokony hatao amin’ny fijerena ny sosialim-bahoaka sy fanarenana haingana ny fotodrafitrasa vokatry ny loza voajanahary sy ny toetr’andro. Tena ilaina ny famerenana ny fahatokisan’ireo mpamatsy vola na teratany io na vahiny fa azo antoka ny fampiasam-bola eto amintsika, fa raha tsy izany dia toy izao manjo antsika izao hatrany no hisy eto.

 

Andry R/RTT

 

 

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT