Politique

Marc Ravalomanana Hiaro sy hanasoa ny Malagasy


  • Talata 04 Desambra 2018

Fanompoam-pivavahana miaraka amin'ny Kandida Marc Ravalomanana laharana 25 ao amin'ny foiben-toerana na QG Bel’Air

no hanokafana amin’ny fomba ofisialy ny fampielezan-kevitra ho an’ny K25 anio talata 4 desambra manomboka amin’ny 8 ora maraina. Hisy ny kabary hataon’i Marc Ravalomanana, hitohy amin’ny tanjozotram-pifaliana “Carnaval” goavana manerana ny boriborintany eto Antananarivo.  Manentana ny rehetra mba ho tonga hanotrona ny kandidà laharana 25 ny mpitarika. Ny olona rehetra izay mahita an`io “carnaval” io dia hoentanina hanamaro isa ny diabe, hizara manifesto ho an`ny rehetra, hoy ny fanentanana.Haut du formulaire

Bas du formulaire

 Mitombo sy mihamafy ny fietanam-pon’ny rehetra hampandresy azy, ka manao ranolava hatrany ny fanambarana ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana. Fanambin’ny rehetra ny hoe: izy no filoha vaovao sy hitondra ainga vao ho an’ny firenena manomboka amin’ny taona vaovao 2019. Anisan’ny naneho ny fanohanana teny amin’ny Foiben-toeran’ny K25 teny Bel’Air Ampandrana ihany koa ny kandida laharana faha-22 sady praiminisitra teo aloha Mahafaly Solonandrasana Olivier omaly taorian’ireo kandida maro efa nanao izany. Ny Kandida Marc Ravalomanana tenany mihitsy no nandray sy nifampidinika taminy. "Izy no olona mendrika hitondra ny firenena sy hampandroso an'i Madagasikara", hoy ny kandida Mahafaly Solonandrasana Olivier. Namoaka fanambarana ofisialy ihany koa ny antoko Roso ho amin’ny Demokrasia Sahaza (RDS) tarihin’i Fetison Rakoto Andrianirina. Dimy taona vavao hamaranana ny toe-javatra mampalahelo tamin’ny 2009 mandrak’ankehitriny, ka mendrika ho an’ny Malagasy amin’izay ny hilamina sy handroso, hoy ny RDS. Tsy azo omen-drariny ny fanonganam-panjakana, hoy izy, satria famotehana, fahalovana, fandrobana firenena ny ankamaroan’ny zavatra naterany. Rehefa nanao fampitahana an’ireo kandida roa hifanandrina amin’ny fihodinana faharoa izy ireo, dia mitaona ny Malagasy hisafidy tsy am-pisalasalana sy amim-pahasahiana ny kandida Marc Ravalomanana satria ny heviny sy ny fandaharan’asany no mety hampandroso kokoa ny firenena, hoy ny fanambarana. Hita taratra ao anatin’ny fanohanana an’i Marc Ravalomanana ny fientanam-pon’ny Malagasy amin’izao fotoana izao, ary efa endriky ny fampihavanam-pirenena satria resy lahatra aminy hatramin’ireo nifanenjana taminy fahiny, toa an-dry Rakotomalala Henri na Riribe, Kolonely Coutiti,… Foto-kevitra voiziny rahateo ny hoe : « hampiombona hampitovy lanja, mpanorina fa tsy mpandrava isika ».

Toky  R

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT