Politique

Marc Ravalomanana Haverina eto Antananarivo amin’izay


  • Alatsinainy 27 Oktobra 2014

Miroso ny dinika hamerenana ny filoha Marc Ravalomanana eto an-drenivohitra. Efa nisy ny fifampiresahana mivantana nifanaovan’ny fianakaviany, notarihin-dRtoa Lalao Ravalomanana tamin’ny filohan’ny Repoblika Hery Rajaonarimampianina mikasika izany tamin’ny alakamisy lasa teo, teny amin’ny Lapam-panjakana Iavoloha. Nizotra tamim-panajana ny diniky ny roa tonta

Dia iny nitohy tamin’ny fahafahan’ny fianakaviana nitsidika indray ny filoha Ravalomanana tany Antsiranana ny zoma iny. Namoy ny anabaviny iray tampo aminy tamin’io andro zoma io Atoa Marc Ravalomanana. Nisy ny fangatahana nataon’ny fianakaviana tamin’ny filohan’ny Repoblika, mba hahafahan’i Dada mamita ny adidiny amin’ity hany sisa iray tampo taminy ity, nefa izao nindaosin’ny fahafatesana izao.

Mitohy ny fifampidinihana

Afaka nanatanteraka izay adidy maha olombelona izay Atoa Marc Ravalomanana. Nijoro amin’ny  maha raiamandreny azy ny filohan’ny Repoblika fa tsy nihaino ny tsikera sy tatasikan’ireo mpomba ny amiraly Ratsiraka sy ny tetezamita. Omaly alahady, andro voatondro handevenana, ny filoha Ravalomanana no nigadona teto Antananarivo. Fiaramanidina manokan’ny GS Aviation no naka azy tany Antsiranana ny maraina. Helikoptera “Allouette 2” an’ny tafi-bahoaka indray no nitondra azy avy eny Ivato hatreny amin’ny “La Verdure” Amboanjobe Atsimondrano, niandrasana ny nofomangatsiakan’ny zokiny vavy vao nindaosin’ny fahafatesana io. Mbola io helikoptera io ihany koa no nitondra azy nakeny Ankadindoha, Soavina Ambanitsena, toerana nandevenana ny razana. Narovana toy ny filoham-pirenena izy. Teo amin’ny fiara no indro kely satria dia fiara 4x4 “double cabine” fampiasan’ny Emmo-Reg no nitondrana ny filoha Ravalomanana teny antsefatsefany teny. Noho ny tsy mbola fahitana ny marimaritra iraisana amin’izay toerana hametrahana azy eto Antananarivo dia omaly hariva, tamin’ny dimy ora, taorian’ny fandevenana ihany izy dia nentina nitodi-doha nianavatra. Nivantana avy hatrany tany Nosy-Be ilay fiaramanidina manokana nitondrana azy, noho ny tsy fisian’ny jiro manazava ny fiantsonana ao Antsiranana ka tsy ahafahan’ny fiaramanidina mipetraka andro alina ao. Tamin’ny enina ora sy sasany latsaka dimy hariva no nigadona tao Nosy-Be ny fiaramanidina nitondrana azy. Nentina tany amin’ny hotely Manda Beach avy eo niverina tao amin’ny toby miaramila izy. Na izany aza dia re fa nahazo toromarika ny tany Nosy-Be hikarakara azy amin’ny fomba mendrika, hatramin’ny anio maraina, hialany ao ka hiverenany ao amin’ny Amirauté Antsiranana. Hitohy amin’ity herinandro ity ny dinika eo amin’ny fianakaviany sy ny mpitondra fanjakana ny amin’ny toerana hipetrahany rehefa haverina eto Antananarivo. Eny an-trano fonenany eny Faravohitra ny an’ny filoha Marc Ravalomanana sy ny fianakaviany ary fitakian’ny mpitolona ao amin’ny Magro, toeran-kafa kosa ny an’ny Fanjakana, ka izay no mbola ifandresen-dahatra. Tsy tapaka rahateo fa mitohy ny fifampidinihana sy ny fifanatonana, ka antenaina fa ho hita ny marimaritra iraisana. Tapa-bolana  anio izao no nakan’ny mpitandro ny filaminana an’Atoa Marc Ravalomanana teo anivon’ny fianakaviany.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotĂ m-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT