Herinandro katroka anio no nahatongavan’ny filoha Marc Ravalomanana an-tanindrazana rehefa sesitany nandritra ny dimy taona mahery tatsy Afrika Atsimo taorian’ny fanonganam-panjakana tamin’ny 2009.
Mitsingerina anio ihany koa ny andro nisamboran’ny fanjakana ka nigiazana azy any Antsiranana. Mihazakazaka ny toe-draharaha tao anatin’izay herinandro izay. Samy miantso ny hirosoana haingana amin’ny fampihavanam-pirenena na ny eto an-toerana na ny vondrona iraisam-pirenena. Na ireo tandapa aza ny faran’ny herinandro teo samy nilaza fa tsy mieritreritra velively ny hamerina ny filoha Ravalomanana any ivelany, fa manasa azy kosa aza mba hifampidinika amin’ny fampihavanam-pirenena. Mifanindran-dalana amin’izay dia resahina betsaka hatry ny omaly ny hamerenana ny filoha Ravalomanana eto Antananarivo. Mety misy hifandraisany amin’izay ny nandefasana andia-miaramila manokana nalefa fiaramanidina ary tonga any Antsiranana hatry ny omaly, heverina fa hanomana izay fitondrana azy aty an-drenivohitra izay, indrindra amin’ny lafiny fiarovana azy, araka ny efa naverimberin’ny mpitondra fanjakana.
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.