Politique

Marc Ravalomanana Hanao fonambarana goavana anio


  • Alatsinainy 22 Oktobra 2018

Hanao fanambarana goavana eny amin’ny trano fonenany eny Faravohitra ny Kandida laharana faha-25 Marc Ravalomanana anio alatsinainy 22 oktobra maraina.

Tsy mbola fantatra izay holazainy, izay heverina avy hatrany fa hifantoka bebe kokoa amin’ny raharaham-pirenena sy ny fifidianana. Iaraha-mahita rahateo amin’izao fotoana izao ny karazana tsy fitovian-kevitra politika eo anatrehan’ny fanatanterahana ny fifidianana, toy ny adihevitra lehibe ny andron’ny zoma lasa teo tamin’ny fihaonan’ireo kandida maromaro sy ny CENI ary ny avy amin’ireo andrim-panjakana voakasika. Isan’ny voaresaka tao ny fikasana hanemotra fifidianana, izay somary notsipahin’ny HCC. Mandeha ny adihevitra politika samihafa eo anatrehan’izany. Andrasana na mahakasika ireny ny zavatra horesahina na zavatra hafa mihitsy, ary andrasana torak’izany ihany koa izay ho toromarika ho an’ny vahoaka Malagasy mpanara-dia raha hisy an’izay, fa dia hitodika etsy Faravohitra izany ny sain’ny rehetra anio. Ny azo antoka kosa dia tsy mba ho i Marc Ravalomanana no ho olan’ity firenena ity, fa vahaolana hatrany. Momba ny fampielezan-kevitra sy ny fandaharam-potoany ho an’ny kandida laharana 25, dia eny Ivato, Tanjambato, Manjakandriana, Alatsinainy Bakaro, Anosibe An'ala, Mahanoro Ilaka Est,  Vatomandry Brickaville, Toamasina no voafaritra fa hanaovany fampielezan-kevitra.

Toky R

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Politique
  • Zoma 23 Oktobra 2026

Dinika raharaha ikambanana

  • Tsivery Mao Tse-Toung
  • Zoma 23 Oktobra 2026

«Adino ny tena nitolomana

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

Hijery ny tohiny
FTT