Ambohipihaonan’ny mpanohana an’i Marc Ravalomanana ny teny amin’ny Magro Behoririka ny sabotsy 4 aogositra teo. Nitarika izany i Zafilahy Stanislas.
Kandida tokoa ny filoha Marc Ravalomanana, ary efa vita sy tomombana avokoa ny antontan-taratasy hirotsahany rehetra, hoy izy. Nambarany koa fa nahemotra ilay hetsika saika natao tao Mahamasina omaly satria tsy tomombana ny taratasy any amin’ny Prefektioran'Antananarivo fa amin’ny manaraka vao ho azo ny fankatoavana.
Hanao fanambarana goavana eny Mahamasina ny tenany ato ho ato. Kandidan'ny vahoaka Malagasy fa tsy an'ny TIM fotsiny na ny Magro irery ihany. Ho an’ny solontenan'ny tantsaha manerana ny Nosy dia nampahatsiahy ny tantara sy namotsipotsitra ny famotehana tamin’ny 2009 tamin’ny ankapobeny. Nolazain’izy ireo fa tena niadana ny tantsaha tamin’ny fitondran'i Marc Ravalomanana noho ny fisian'ny fotodrafitrasa sy masomboly sy zezika, indrindra fa ny fandriampahalemana fa nitotongana hatramin’ny 2009, ka tena miandrandra fatratra ny fiverenan-dRavalomanana eo amin’ny fitondrana izy ireo ankehitriny. Tena sioka tokana sisa andrasana dia efa vonona hifidy ny filoha Marc Ravalomanana ny any amin’ny faritra, hoy ireo solontena avy any Tanambao-Manampotsy, DIANA, ary Anosibe an'Ala. I Gaona avy ao Moramanga no nilaza fa na dia tsy mitovy firehana politika amin’i Pety Rakotoniaina aza izy dia mankasitraka ny ataony, ary vonona hijoro vavolombelona fa tena nangalatra volam-bahoaka tokoa i Andry Rajoelina tamin’ny tetezamitatra. Nolazainy fa tsy nisy hita tany amin’ny lalàna mifehy ny fifidianana avokoa ireo vola vidin'ny Air Force1 (23 tapitrisa Euros), ny vola vidin'i Soalala (100 tapitrisa Euros), ny vola avy tany amin’ny QMM (75 tapitrisa Euros) ary lany koa ny vola tahiry tao amin’ny Banky foibe (manodidina ny 2 lavitrisa), kanefa dia zara raha vola kely manodidina ny 15 tapitrisa Euros no nanamboarana ny hopitaly “manarapesta” sy kianja roa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.