Na amin’izay faritra rehetra tsidihany na any anatin’ny tambajotra facebook na amin’ny alalan’ireo tsapan-kevitra isan-karazany na eto Madagasikara na any Afrika na any Eoropa na any Etazonia dia mafy i Marc Ravalomanana.
Porofo iray mivaingana ny nahazoany ny amboara lehibe tamin’ny haitarika taty Afrika, ka nahazoany amboaran’ny “Political Leadership”, izany hoe izy no mpitarika mahay indrindra aty Afrika eo amin’ny haitarika ara-politika, fifaninanana natao ny volana desambra 2017 tamin’ny alalan’ny tranonkala, ka ny fiandohan’ny taona 2018 no nandraisana ny amboara miezinezina tany Afrika Atsimo. Raha handray ohatra fanindroany isika, dia anisan’ny tsapan-kevitra mandeha amin’izao fotoana izao ny ao amin’ny tranonkala https://www.etropique.com/, ka izy hatrany no mitarika ao na misy aza ny sompatra ara-teknolojia miseho indraindray. Hanao fampisehoan-kery lehibe i Marc Ravalomanana hoenti-manaporofo hatrany fa velona sy miaina ny antoko Tiako I Madagasikara sy ny KMMR ary miombom-po aminy ny vahoaka Malagasy. Ho an’ny anio sabotsy 15 septambra, dia ny vahoakan’Antsirabe no hihaona aminy, ary efa mipetrapetraka ny zava-drehetra. Vonona ary hipoka hafaliana ny ao an-drenivohitr’i Vakinankaratra handray azy. Raha fampandrosoana sy fanomezana asa rahateo, dia isan’ny niakinan’ny ain’ny tantsaha any an-toerana tamin’ny fandraisana ny vokatra hatramin’ny nisiany ny orinasa Tiko, izay nopotehina ny 2009, ary efa mihodina amin’izao fotoana. Ho an’ny rahampitso kosa dia eny Ivato no hifamotoana amin’ny vahoaka i Marc Ravalomanana. Tsy mila sehoseho sy fiomanana be, fa tonga de mirohotra mamonjy azy ny olona raha eo amin’ny serasera andavanandro. Mizara ny marary sy ny manahirana azy ireo amin’ny teny mazava sy mahitsy tsara. Manimanina ny fitondran’i Dada ny rehetra. Hatramin’izao dia hita fa mbola mijoro ireo karazana tandindona manamarika azy toy ny bisikileta efa tany amin’ny taona 2002, miloko maitso. Samy mahafantatra an’io daholo ny Malagasy rehetra. Eo ihany koa ny fanamiana sy ny “kits scolaires” ho an’ny mpianatra, izay mbola misy ny mianjaika azy hatramin’izao fotoana izao.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.