Politique

Marc Ravalomanana Hanana olona ao anaty governemanta sa tsia ?


  • Alatsinainy 14 Janoary 2019

Aorian’ny fianianana sy ny fifamindram-pahefana ny 19 janoary vao tena handray ny fahefana feno maha filoha azy i Andry Rajoelina. Samy miandry izay hafitsoky ny fitondrany ny rehetra.

 

 

 Ny manitikitika ny sain’ny maro dia izay ho endriky ny governemanta hitsangana eo satria ny 18 janoary no mety hametra-pialana ny governemanta Ntsay Christian. Mandeha ny fifandresen-dahatra samihafa, ka raha ny loharanom-baovao dia nifampiresaka nandritra ny adiny iray sy sasany teo ho eo i Andry Rajoelina sy ny praiminisitra Ntsay Christian ny takarivan’ny sabotsy teo. Tsy fantatra mazava ny vontoatin-dresaka fa tombanana ho fifandresen-dahatra amin’ny mbola hitazonana azy amin’ny toerany na koa efa milamina ny amin’izany fa ny fananganana governemanta mihitsy no niadian-kevitra. Raha ny andininy faha-54 amin’ny lalàmpanorenana no arahina, dia ny vondrona parlemantera maro an’isa ao amin’ny antenimieram-pirenena no manolotra anarana, ary arakarak’izay ihany koa ny mpikamban’ny governemanta. Ny MAPAR no maro an’isa hatreto, arahin’ny TIM. Ny 5 febroary izao no tokony ho fantatra ofisialy ny anaran’ny praiminisitra vaovao na ny mpikamban’ny governemanta mihitsy aza. Tombatombana anefa ny an’ny rehetra fa miandry izay hiseho isika. Fanontaniana iray lehibe mipetraka ihany koa ny hoe hiditra ao anatin’io ve ny avy aty amin’ny kandida Marc Ravalomanana raha misy ny fiantsoana sa hisafidy ho mpanara-maso ny velirano nataon’ny mpitondra ? Nanaja ny didin’ny HCC, niarahaba, nitsodrano sy nirary soa ny filoha lany i Marc Ravalomanana. Tsy azo tsinontsinoavina ny tanjany ara-politika sy ny vahoaka mpiara-dia aminy, raha ny antontan’isa tamin’ny fifidianana no jerena. Samy manana ny heviny ny olona. Ao ny milaza fa tsara kokoa ho azy sy ny mpiara-dia no tsy miditra ao fa mipetraka ho mpanara-maso satria tsy voatery ao anaty rafitra vao afaka mandray anjara amin’ny fampandrosoana. Aleo aloha hataony sao tsy vita ny velirano ka ailika amin’ny hoe fiaraha-mitantana, ary fanajana ny sata Repoblikanina ny famelana malalaka izay lany aloha, hoy ny fanehoan-kevitra. Ao ihany koa anefa no tsy mametraka olana amin’ny mety ho fidiran’ny K25 ao anatin’ny governemanta vaovao, ary hahafaha-manara-maso ny fihodin’ny fitondrana ny firenena izany.  Olon-kendry i Marc Ravalomanana sy ireo mpiara-manapaka aminy, ary mahalala izay mahasoa ny vahoaka sy ny firenena, ka dia miandry izay hiseho ny rehetra.

Toky R

 

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT