Politique

Marc Ravalomanana Hanampy an’i Neny hanarina an’Iarivo


  • Alatsinainy 21 Septambra 2015

Fanontaniana manitikitika ny maro ny hoe : inona marina no ho andraikitr’i Marc Ravalomanana rehefa ben’ny tanàna i Lalao Ravalomanana vadiny ? Efa ela moa no novalian’i Neny io fanontaniana io ary nazava tsara, hoy indrindra izy :

 

 « Izaho no ben’ny tanàna mitantana an’Antananarivo fa ny vadiko kosa dia tsy maintsy manolotsaina ahy satria efa tena manana paikady sy traikefa betsaka izay ilaintsika izy».

Mikaroka izay mahasoa

Mazava tsara ny amin’iny, izy mivady rahateo dia olona efa zatra niara-niasa sy ny nifanohana na tamin’ny fitantanana ny Tiko izany na tamin’ny naha filoham-pirenena an’i Marc Ravalomanana. Tsy fitsangatsanganana no nataon’Atoa Ravalomanana efa ho tapa-bolana tany ivelany fa fijerena ny zava-misy amin’ireo tanàn-dehibe, fifampiresahana amin’ireo mpiara-miasa sy mpiara-miombon’antoka ary fanentanana ny Malagasy monina any ivelany mba tsy hanadino ny tanindrazany. Maorisy, Danemarka, Soeda, Frantsa no noteteziny ary notsidihany tsirairay avy ny renivohitr’ireo firenena manana ny maha izy azy ireo. I Danemarka sy Soeda aloha dia anisan’ireo firenena manankarena indrindra ary milamina sy madio ny tanàna rehetra any, i Séoul indray dia renivohitr’i Korea ary tanàna tena nandroso indrindra tany Azia, i Paris moa dia tanàn-dehibe voalohany mahasarika mpizahatany eto ambonin’ny tany. Mikaroka ary mbola hikaroka hatrany izay mahasoa ny Malagasy, araka ny nambarany i Marc Ravalomanana, mazava ho azy fa tsy maintsy hahazo ny anjarany ao anatin’izany Antannarivo izay renivohitr’i Madagasikara ary toerana mampivondrona ny Malagasy rehetra.

Tsy maintsy mahita vahaolana

Rehefa misy ny olana dia tsy maintsy misy ny vahaolana. Io no filôzôfian’i Dada sy Neny nampitainy tamin’ny mpiara-miasa aminy rehetra ary ezahan’izy ireo ampitaina amin’ny Malagasy, nisy ny dingana efa natomboka saingy tapaka noho ny zava-nitranga tamin’ny 2009. Tohizana ny lalana ankehitriny ary atomboka eto Antananarivo Renivohitra ny fanarenana, tsy maintsy madio, milamina, mivoatra, mandroso ary maha te honina Antananarivo. Izay no azo hamehezana ny fandaharanasan’ny ben’ny tanàna Lalao Ravalomanana. Anisan’ireo hanampy azy hanatanteraka io tanjona io rangahy vadiny.

 

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT