Politique

Marc Ravalomanana Hanainga ho any Alemaina anio


  • Alatsinainy 12 Oktobra 2015

Fantatra fa handao an’i Madagasikara anio ka ho any Alemaina indray ny filoha teo aloha Marc Ravalomanana, izay tsy matoritory moa fa mikatsaka hatrany ny fomba sy ny tetika hanasoavana ny firenena.

 

 Re fa anisan’ireo mpiara-miasa akaiky hiara-dia aminy Atoa Patrick Ramiaramanana, izay efa tazana teo anilan’ny ben’ny tanànan’Antananarivo foana moa hatramin’ny fampielezan-kevitra, izy rahateo efa ben’ny tanàna ary nandranto fianarana tany Alemaina. Heverina fa misy ifandraisany tamin’ny fihaonana matetika teo amin’i Marc Ravalomanana sy ny masoivohon’i Alemaina eto amintsika sy ny fikarakarana ny tanànan’Antananarivo Renivohitra izao dia izao. Niofana 4 herinandro tany Alemaina tokoa mantsy mialoha ny fifidianana ben’ny tanàna Rtoa Lalao Ravalomanana ary efa nihaona tamin’ireo mpiara-miombon’antoka nambara fa hanampy azy. Nisy ihany koa ny fitsidihany toerana iray goavana manangona sy manodina fako tany an-toerana. Ho fantatra miandalana eny ihany moa ny votoatin’ity dian’i Dada any amin-dry Angela Merkel ity.


Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Diplaomasia
  • Alarobia 28 Oktobra 2026

sy toekarena

  • TIM
  • Talata 27 Oktobra 2026

AMBOHIDRAPETO

  • Antoko politika Maeva
  • Talata 27 Oktobra 2026

«Sao tokony hamboarina

  • Tanora Monima
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

«Miha matanjaka ny BRICS,

  • Fanavaozana
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

ny Repoblika

  • VOVONANA ATF
  • Alatsinainy 26 Oktobra 2026

Tafapetraka ny

Hijery ny tohiny
FTT