Taorian'ny fahatontosana ny fandrotsahana ny dosie filatsahan-kofidiana teny amin’ny Fitsarana avo momba ny lalàmpanorenana ny sabotsy 18 aogositra teo sy ny fanambarana ofisialy ny fahavitan’izany tany Toamasina
dia hihaona amin'ny Vahoakan'Antananarivo indray i Marc Ravalomanana. Manome fotoana ny rehetra amin'ny sabotsy 25 aogositra izao, manomboka amin'ny 10 ora maraina ao amin'ny Kianjaben'i Mahamasina ny tenany. Fotoan-dehibe voalohany hifanomezany fotoana amin’ny vahoakan’Antananarivo io, ary azo antoka fa hamohafoha ny mamy sy ny mangidy niarahana nanomboka tany amin’ny fotoana rehetra lasa tany amin’ny 2002 nitondrany, ny nanonganana azy ny taona 2009, izay nivoizana fa naloam-bahoaka ny tenany. Hanaporofoan’ny vahoaka fa teti-dratsy nenti-namotika azy sy ny firenena manontolo ny fanonganam-panjakana. Na inona na inona fanenjehana sy fanaratsiana, dia miteny ho azy ny tantara, fa niasa sy nahavita izy mitaha ny hafa, ary tena niantraika tamin’ny ativilan’ny Malagasy izany. Niaina sy niadana kokoa ny vahoaka, nilamina ny tany sy ny fanjakana, nirindra ny fanabeazana, voatsinjo manokana ny tantsaha izay maro an’isa,… Mahery sy mafy ary tsara sedra izy, raha ny lalana nolalovany, ary hita taratra amin’ny fiainany izany. Vitsy ny mpanao politika avy naongana sy nopotehina faratampony, nodorana fananana no tena tafarina sy manana herijika lehibe hiverina amin’ny fitondrana. Raha ireo nanongana azy ve, ohatra, no niharan’ny nanjo azy mba hanao ahoana ny endriny ? Azo antoka fa maro angamba no lasa adala. Firifiry moa ireo mpanao politika teto lasa sesitany tany ivelany, saingy tsy nisy tafarina na niverina tamin’ny tanjany intsony ny ankamaroany fa resy tanteraka. Ankoatra izay, dia voataiza ara-poto-kevitra hanangana fa tsy handrodana, hanome fa tsy handroba izy. Mahavita miala vola am-paosy aza amin’ny fanohanana sy ny fanotronana fa tsy taomina maimaimpoana amin’ny fiara sy mbola tambazana vola. Tsy tia tena sy matinkambo ary be sehoseho ivelany fotsiny fa mijery lavitra, ary izany izao no ilain’ny firenena.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.