Ny andron’ny omaly moa, dia tany Tanambe, Andilamena, Mahazomana, Maevatanàna, Mahajanga no nanaovan’i Marc Ravalomanana fampielezan-kevitra, ary an’aliny maro na an’hetsiny mihitsy aza ny vahoaka nandray azy tamin’ireo toerana ireo.
Ny antony mampondroso ny firenena dia antony roa ihany. Voalohany, afaka mivezivezy ny mponina amin’ny alalan’ny lalana, dia afaka mivezivezy koa ny varotra, noho izany dia amboarina indray ny lalana eto Madagasikara. Amboarintsika ny làlana eto Tanambe, ny lalana RN44 tsy mety vita io dia tsy maintsy amboarin’i dada. Faharoa dia ny fanajana ny fitsipika, fanajana ny lalana, fanajana lalam-panorenana. Haintsika ny mampandroso ny firenena, hoy izy. Nohamafisiny tany Andilamena izay resaka làlana izay, ka ny zavatra maika ho anareo eto Andilamena dia ny làlana, hoy izy. Nambarany ihany koa, fa lasa tsy mahatoky ny fitondrana intsony ny vahoaka. Noho izany dia tsy maintsy halamina ny firenena. Nohamafisiny tany Mahazomana ny resaka fandriampahalemana, fahasalamana, ny fampianarana, ny hasin’ny fitsarana,… Nanome toky tamin’ny vahoakan’I Maevatanana fa tena hanatanteraka ny fanamby sy ny fanomezan-toky voasoratra ao anatin’ny “Manifesto”. Nampihetsi-po ny fandraisana tao Mahajanga satria tsy nahasakana ny vahoaka hitsena sy handray azy ny firotsahan’ny alina, ka na efa takariva aza, dia vory lanona nandray azy ny vahoaka. Tsy nifankandrenesana ny hoe: “Izahay tsy miala amin’I Dada, Isika tsy miala amin’i dada”. Nanazava ny fandaharan’asa sy nanome toky ny hanatanteraka izany I Marc Ravalomanana. Kandidan’ny vahoaka rehetra aho, hoy izy, ka dia niantso ny rehetra hanohana izy, ary tsy ny eto Mahajanga ihany fa ny avy any ivelany ihany koa dia ao an-damosiny. Tsy azo atao ny milalao baolina irery, hoy izy mantsy ny TIM sy ny KMMR amin’ny maha kandidan’ny Malagasy azy, ary misokatra ho an’ny fikambanana, fiangonana, mpiasam-panjakana,… isika, hoy izy. Henoko fantatro fa tsy mahavita volana ny karama ka hojerentsika izany fa aza matahotra, saingy mila anareo miasa tsara ihany koa, fa misy zavatra hataontsika, hoy hatrany I Marc Ravalomanana. Hampitomboina ny fidiram-bola any am-paosy fa ny vola no maha rangahy, ary hiasa sy hamono tena ao hampandrosoana ity firenena ity, hoy I Marc Ravalomanana. Miasa mafy, miasa tsara, miasa haingana isika, hoy izy. Mitandrema amin’ny sasany manao izay hifidianana azy, ka manome an’itsy na iroa na mampiakanjo, fa avy eo hamitaka, hoy izy mantsy ny vahoaka.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.