Maro loatra ireo mpanao politika manome fampanantenana poakaty. Tsy anisan’izany aho ! Noho izany dia holazaiko eto isan’andro ny zava-nisy marina nandritra ny fotoana naha filoham-pirenena ahy, hoy i Marc Ravalomanana tao amin’ny tambajotran-tseraserany omaly.
Ny zava-misy holazaiko eto dia marim-pototra ary miainga avy amin’ny tatitra mazava avy amin’ny Banky iraisam-pirenena, UNICEF, ny fikambanana iraisam-pirenena momba ny sakafo … Ny politika dia tokony hiainga amin’ny zava-misy marina fa tsy ho fampanantenana poakaty ihany. Manasa anao hizara ny hafatra raha toa ka miombon-kevitra amiko ianao, hoy izy. Andrasana ny fizaram-baovao isan-karazany hataony mahakasika ny zava-nisy marina tamin’ny fotoana nitantanany ny firenena. Misy ary tsy takona hafenina ny fanaratsiana samihafa miantefa aminy sy hoentina hanakiviana ny vahoaka Malagasy izay ao an-damosiny, ka tombanana ho fandisoana ireny rehetra ireny ny fampahafantarana hataony, ary koa ho fanampim-panazavana. Hiainga amin’ny antontan’isa marim-pototra, toy ny hoe tamin’ny fotoana nitondrany dia nilamina ny tany ama-monina, ambany ny tahan’ny kolikoly, niaina kokoa ny ambanilanitra, ambany kokoa ny vidim-piainana,… io raha hatao ny tombana vonjimaika. Miandry izay hambaran’i Marc Ravalomanana anefa isika eo anatrehan’izany. Sesilany ny fanaratsiana azy tamin’ny fotoana nitondrany ny fanjakana. Noezahina nosoketaina tamina lafin-javatra maro samihafa tamin’ny taona 2008-2009, ka natao izay nampiongana azy teo amin’ny toerana naha filoha azy. Nodorana ny fananany, ary niaraka lasibatra taminy ny Malagasy an’arivony niasa tamin’ireo orinasany tamin’izany. Sintonina ny sain’ny mpiray tanindrazana hitodika any amin’ny tantara hoe: nahavita nanasoa ny vahoaka Malagasy noho i Marc Ravalomanana ve ireo nanongana azy ? Niroso tamin’ny tsaratsara kokoa ve ny fari-piainan’ny Malagasy taorian’ny 2009 sa vao mainka nitotongana tamin’ny farahidiny ? Tan-dalàna ve ny fanjakana nisy sa vondrona mafia notampohin’ny nahazo fahefana ka nanao izay danin’ny kibony tamin’ny fandrobana harem-pirenena no nisy teto ? Ny isam-batan’olona no antenaina fa hanana fomba fijery tsy miangatra ka hahay hisafidy amin’izay olona tokony hapetraka eo amin’ny fitantanana ny firenena hoe: ny mpamotika sy mpandrava sa ny mpanangana sady mpampiombona ? Ny azo antoka aloha ankehitriny dia diso tanteraka ny resaka be naparitaka teto tamin’ny fitondrana tetezamita fa efa naloan’ny Malagasy, efa tsy tian’ny Malagasy intsony i Marc Ravalomanana satria dia nisongadina tamin’ireo kandida filoham-pirenena 36 mianadahy izy ary nosafidian’ny Malagasy ho anisan’ny hiatrika ny fihodinana faharoa.
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.