Tanàna maro amina faritra telo dia Amoron’i Mania, Matsiatra ambony ary Menabe no nanaovan’ny Kandida laharana faha-25 fampielezan-kevitra ny andron’ny omaly.
Fandriampahalemana, fampianarana ny ankizy
Manana ny paik'ady hitondrako fampandrosoana aho dia ny "manifesto". Lisitry ny fanomezan-toky miisa folo, izay nohazavainy. Amboarina ny lalana eto, haverina ny fandriampahalemanana, harovana ny olona sy ny fananany, ny taniny, haverina ny fitsarana marina sy fitsarana mijery ny madinika, omena fitaovana tokony ho azy ny mpitandro filaminana. Hiantohana ny fahasalaman'ny olona, omena sakafo ny Malagasy. Hampitomboina ny fidiram-bola, omena zezika sy masomboly ny tantsaha ary ny teknika fambolena sy fiompiana. Haverina ny tetik'asa fampianarana, ary nasehon'i Saraha Ravalomanana zanany vavy ny modelin'ny "kits scloraires" efa misy fitaovana ao anatiny izay ho zaraina maimaim-poana rehefa lany i Dada, hoy izy. Taona maro tsy teto Ikalamavony aho. Faly tena faly aho tonga eto androany, hoy kosa izy tany amin’ity tanàna iray ity. Nanamafy ny fanamboaran-dàlana hahafahana manenjika ny malaso, hampianatra maimaimpoana ny zaza Malagasy,... ny tenany.
Hafa i Morondava
Efa takariva I Marc Ravalomanana no tao Morondava, ka na efa nanomboka nirotsaka aza ny alina tsy nahasakana ny vahoaka hitsena sy hihoby ny fahatongavany izany. Horakora-pifaliana no nandraisana, ary naneho ny fahavononany hanohana hatramin’ny farany azy amin’ny alalan’ny fifidianana ny laharana faha-25 amin’ny 7 novambra ny vahoaka. Eo anatrehan’ny fangatahana maro samihafa, dia olona mpanara-dalàna aho,ka mampiatra lalàna,tsy izay mafinaritra anareo no ataoko fa izay mahasoa anareo, hoy ny teny feno fahendrena nataony ny vahoakan’i Morondava.Fantatrareo tsara fa taty Morondava no niarahako tamin’ny ankizy, ka ny zanakareo dia zanako, ary izaho rehefa manao zavatra dia zavatra tena tsara. Naseho ny solosaina ho an’ny ankizy zokinjokiny. Nanamafy izy fa tsy ho adinony ny tanora, ary notsiahiviny fa nandefa tanora 170 izy nankany Etazonia, ary niverina sy miara-miasa amin’izao fotoana izao. Ny zava-dehibe mba hahazoantsika firenena vanona, dia manana an’ireo taranaka ireo, hoy izy. Hokarakaraina ny zanaka Malagasy, hizarana “blouse” mitovy, hanaovana “cantine scolaire”,… hakarina ny fahefa-mividy, homen-danja ny fitsaboana,….
Toky R
Tia Tanindrazana
Samia mijoro ho an'i Gasikara.