Politique

Marc Ravalomanana Gadraina vao miha matanjaka !


  • Alakamisy 30 Oktobra 2014

Tsy mbola nisy teo amin’ny tantaran’izao tontolo izao hoe filoham-pirenena voatery nanao sesitany ny tenany ka tafaverina tsimoramora, tsy an-kiteniteny tao amin’ny fireneny ary tonga dia tafody teny amin’ny trano fonenany sy afaka nivory sy niresaka tamin’ireo mpomba azy nandrira ny ora maro, tahaka an’Atoa Marc Ravalomanana tamin’ny alatsinainy 13 oktobra 2014 iny

Nosamborina Atoa Ravalomanana ny atoandron’io 13 oktobra io saingy na ahoana na ahoana ambara aloha dia henjana sy manana ny maha izy azy izy matoa tafaverina teto Madagasikara tamim-pilaminana. Nilamina tahaka ny fomba nialany teto tamin’ny 2009 ihany ny fomba niverenany, niaina malalaka tany Afrika Atsimo i Marc Ravalomanana fa tsy mba tahaka ireo filoha Afrikanina sasany nionganany izay na maty voatifitra, na nigadra avy hatrany na namoahana didy fampisamborana iraisam-pirenena, na voaantso hiatrika ny fitsarana iraisam-pirenena any La Haye. Mazava ny resaka eto fa olona tena miavaka i Marc Ravalomanana, tia filaminana, olon’ny fifampiresahana ary mety mitombina ihany ny tombantomban’ny mpanara-baovao sasany fa mety ho izy no Malagasy voalohany hahazo ny Loka Nobel momba ny fandriampahalemana. Ary vao miha mampisongadina azy eto an-toerana sy eo amin’ny sehatra iraisam-pirenena izao fanagadran’ny fitondram-panjakana azy izao. Mety hita amin’ny endriny ety ivelany fa reraka sy niha nahia i Marc Ravalomanana, saingy ireo olona mahafantatra azy tsara dia tsy misalasala milaza fa sarotra izany hanakivy an’i « Ramose » izany, satria efa manana ny foto-kevitra ijoroany izy ary tsy misy afaka manova an’io. Sarotra ny raharaha ho an’ny fitondrana Rajaonarimampianina ary raha diso famindra kely fotsiny dia izay no izy satria olona tena mbola manana ny maha izy azy, mamy hoditra amin’ny vahoaka io gejainy io, ary tsy mantsy avotsotra …tsy ho ela anefa.

Tia Tanindrazana

Samia mijoro ho an'i Gasikara.


Ao amin’ity sokajy ity ihany : Politique

  • Tabera Randriamanantsoa
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Mbola be dia be ny

  • Dosie goavan'ireo
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

mpitondra teo aloha

  • Kristianina manao politika
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

«Tokony ho sahy handrava koa

  • TALAKY-BAS,
  • Alakamisy 22 Oktobra 2026

DISTRIKAN'I TSIHOMBE

  • ALAIN MAHAVIMBINA
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

Mety ny manao dinika

  • Dinika fanavotàm-pirenena
  • Alarobia 21 Oktobra 2026

«Miha mibaribary ny

Hijery ny tohiny
FTT